Erico Ramiandrisoa. Iaraha-mahita, hoy izy, ny olana andavan'andro aterakin'ny tsy fahampian'ny herinaratra eto Madagasikara. Ny firenana mandroso rehetra eran'izao tontolo izao dia efa miala tanteraka amin'ny angovo tsy azo avaozina daholo ary mametraka tanjona sy fanamby ny hametrahana angovo azo avaozina hisitrahan'ny rehetra herinaratra amin'ny 2030. Raha toa ka 7000 tapitrisa ny olona tsy misitraka herinaratra eran'izao tontolo izao dia ny 6000 tapitrasa aty Afrika ny 91% amin'izany. Ny 85% amin'ny 30 tapitrisan’ny mponina eto Madagasikara dia mbola tsy misitraka izany herinaratra izany amin'izao 2025 izao. Tokony ahatonga saina antsika izany amin'ny fanovana rafitra ny Angovo eto Madagasikara hiditra lalina kokoa amin'ny Angovo azo havaozina mba hisian'ny fisitrahana herinaratra mitovy eo amin'ny malagasy rehetra hamelomana ny toekarena izay hita fa marefo ankehitriny mba ahatonga ny mpandraharaha sy ny olona hamokatra amin'ny fotoana ahafahany manao izany. Tsy tokony hanana safidy intsony isika amin'izao olana lalovan'ny firenena amin'ny sehatry ny Angovo ankehitriny izao fa tena kiondalana ahafahana manapa-kevitra, indrindra fa ny mpitondra mba hanana finiavana ara-politika hidirana lalina kokoa amin'ny Angovo azo havaozina mba ahatrarana ny velirano hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso, indrindra, mba hisian'ny tena fampandrosoana maharitra eto amin'ny firenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira