airtel

Actualités

11-juin-2025

Erico Ramiandrisoa

«Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara»

Sample post image

Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,

11-juin-2025

Erico Ramiandrisoa. Iaraha-mahita, hoy izy, ny olana andavan'andro aterakin'ny tsy fahampian'ny herinaratra eto Madagasikara. Ny firenana mandroso rehetra eran'izao tontolo izao dia efa miala tanteraka amin'ny angovo tsy azo avaozina daholo ary mametraka tanjona sy fanamby ny hametrahana angovo azo avaozina hisitrahan'ny rehetra herinaratra amin'ny 2030. Raha toa ka 7000 tapitrisa ny olona tsy misitraka herinaratra eran'izao tontolo izao dia ny 6000 tapitrasa aty Afrika ny 91% amin'izany. Ny 85% amin'ny 30 tapitrisan’ny mponina eto Madagasikara dia mbola tsy misitraka izany herinaratra izany amin'izao 2025 izao. Tokony ahatonga saina antsika izany amin'ny fanovana rafitra ny Angovo eto Madagasikara hiditra lalina kokoa amin'ny Angovo azo havaozina mba hisian'ny fisitrahana herinaratra mitovy eo amin'ny malagasy rehetra hamelomana ny toekarena izay hita fa marefo ankehitriny mba ahatonga ny mpandraharaha sy ny olona hamokatra amin'ny fotoana ahafahany manao izany. Tsy tokony hanana safidy intsony isika amin'izao olana lalovan'ny firenena amin'ny sehatry ny Angovo ankehitriny izao fa tena kiondalana ahafahana manapa-kevitra, indrindra fa ny mpitondra mba hanana finiavana ara-politika hidirana lalina kokoa amin'ny Angovo azo havaozina mba ahatrarana ny velirano hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso, indrindra, mba hisian'ny tena fampandrosoana maharitra eto amin'ny firenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-févr-2026

Misy ny fiomanan’ny kolonely Michaël Randrianirina

Card image cap
18-févr-2026

Nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana

Card image cap
18-févr-2026

Manohy ny fanoloran-tenany amin'ny

Card image cap
17-févr-2026

vitan’ny hafa ve tsy ho vitantsika,

Card image cap