airtel

Actualités

09-déc-2022

Actualités

“ESAParboil” na tetikasa vary evoka Fikambanam-behivavy 5 nahazo tombotsoa

Sample post image

Fikambanam-behivavy 5 eto Madagasikara sy 3 atsy Mozambika no nahazo tombotsoa tamin’ny tetikasa ESAParboil na tetikasa fanaovana vary evoka,

09-déc-2022

izay nofaranan’ny Minisiteran’ny fambolena sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy tamin’ny alalan’ny atrikasa tetsy amin’ny Hotely Ibis Ankondrano ny 07 desambra 2022 teo. Tetikasa nataon’ny AfricaRice ary novatsian’ny GIZ fandaharan’asa Alema vola izy. Nikendry ny fapitomboana ny vola miditra amin’ny tokantranon’ny tantsaha mpamokatra ary koa mikendry ny hiady amin’ny tsy fanjarian- tsakafo eto Madagasikara sy atsy Mozambika araka ny nambaran’i Dr Dr Gaudiose Mujawamariya lehiben’ny AfricaRice eto Madagasikara. Ny taona 2022 no nanomboka nanao ity tetikasa ity teto Madagasikara ny AfricaRice raha toa ka efa tamin’ny taona 2015 ry zareo no tonga niasateto amintsika. Fikambanam-behivavy tantsaha miisa 05 avy amin’ny faritra Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Atsimo Andrefana, Sofia ary Menabe no nahazo fiofanana sy fitaovana fanaovana vary evoka avy amin’ny AfricaRice. Tanjon’ny AfricaRice ihany koa ny resaka Miralenta ka nofanina momba ny fivoarana ara-tena, ny fitantanana fikambanana, ny fitantanam-bola ary ny fitadiavana tsenam-barotra ireo vehivavy tantsaha, hoy ny fanamarihana. Ny mahafaly hoy Dr Gaudiose dia ny fandraisan’ireo fikambanam-behivavy ny fiofanana sy ny vokatr’izay satria dia izy ireo ihany no namorona sy nikarokany famonosana ny vary evoka amidin’izy ireo ka dia vita tsara tarehy tokoa izany no sady manintona ny mpividy. Telo taona aty amin’ny fiafaran’ny tetikasa diavehivavy aman’arivony no afaka mamokatra vary evoka milanja 7 taonina eto Madagasikara sy any Mozambika, araka ny tatitra. «Rehefa nahita ny tombotsoa azony tao amin’ny Fikambanana Miharisoa ny vadiny dia lasa manaja azy kokoa sady lasa manome lanja azy kokoa », hoy Rtoa Rosalie Godin avy any Alaotra Mangoro naneho ny fivoarana tsapany. Voasokajy ho mahasalama moa ny vary evoka satria sady mateza an-kibo no be vitamine B1 sy B6 ary be otrikaina ihany koa, tena mety amin’ny olona diabetika,… Raha ny fanazavana tsotsotra dia sasana madio amin’ny rano ny akotry, evohana avy teo mialoha ny hanahazana azy amin’ny masoandro sy ny hitotoana azy.
Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap