airtel

Actualités

07-janv-2021

Actualités

Fadin-tseranana Antanimena “Olona nenjehin’ny PAC miverina amin’ny toerany”

Sample post image

Ny Filoha Rajoelina vao tonga teo amin’ny toerany dia naneho fa tsy misy fandeferana na “tolérance zéro”

07-janv-2021

 

 

ny fanaovana kolikoly, ny Tale Jeneralin’ny Fadin-tseranana vao tonga teo, dia nanamafy izany ihany koa. Ny zava-misy ato aminay anefa, hoy ny mpiasa iray eo anivon’ny Fadin-tseranana, dia ny volana martsa no nalain’ny Bianco tao amin’ny biraony tao Antanimena ny tompon’andraikitra iray. Mazava fa kolikoly matoa Bianco no naka azy, ary rehefa nandeha PAC (Pôle Anti-Corrumption), dia nidoboka am-ponja vonjimaika 4 volana izy io, ka mpisolo toerana vonjimaika (intérim) no nisolo azy nanomboka ny volana martsa, hoy hatrany ny fanazavana. Marina fa mety mbola tsy voaheloka izy, fa ny tena henjana, dia nahazo fahafahana vonjimaika ilay tompon’andraikitra, ary miverina manao ny asany kanefa mbola manana dosie any amin’ny PAC, ary manao vava fa na ny Tale Jeneralin’ny Fadin-tseranana na ny Minisitra aza dia ambarany fa tsy misy mahala azy amin’ny toerany, hoy hatrany ny fanazavana avy amin’ny mpiasa. Mametra-panontaniana ny mpiasa hoe: tsy mbola nisy fanendrena solony hatramin’izao ka tsy misy mahasolo azy mihitsy ve izany na efa voarohirohy amina afera maloto aza, ary ny any ambony aza ve tsy mahafehy azy tokoa? Midika ve io sanatria fa ny tompon’andraikitra any ambony toy ny tale jeneraly sy ny minisitra mihitsy no manome vahana sy miaro ny olona efa voasaringotra amina afera maloto? hoy hatrany ny fanontaniana avy amin’ny mpiasa.

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap