airtel

Actualités

15-juil-2022

Actualités

Fadin-tseranana ao Mahajanga Nahatrarana sokatra sy fanafody saika haondrana any Kaomoro

Sample post image

Baoritra lehibe miisa roa, izay nosavain’ny Polisim-pirenena miasa eo anivon’ny fadin-tseranana ao Mahajanga no

15-juil-2022

nahitana sokatra sy fanafody maro saika haondrana an-tsokosoko tany Kaomoro afak’omaly alarobia 13 jolay 2022 teo. Sambokely iray hanainga ho any Moroni, Comores no nahitan’ireto Polisy ireto baoritra lehibe miisa 02 izay nafenina fatratra. Manoloana izany dia niroso tamin’ny fisavàna avy hatrany ny Polisy ary tamin’izany no nahitana ireo sokatra, izay biby arovana (astrochelys radiata) miisa 36 tao amin’ny iray tamin’ireo baoritra. Ny baoritra faharoa kosa dia nahitana fanafody maro notsinjaraina tanatina baoritra kely miisa 12. Nifandrombonan’ny Polisim-pirenena, ny Zandarimariam-pirenena; ny mpiandraikitra ny Fadin-tseranana, ny mpiandraikitra ny rano sy ny ala; ary ny APMF ny fanadihadiana. Nogiazana kosa ilay sambokely ary nosamborina ireo tantsambo sy ny olona nentiny mba hanaovana famotorana mahakasika izao raharaha izao. Anisan’ny fiampangana azy ireo ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena sy biby arovana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap