airtel

Actualités

15-févr-2022

Actualités

Fahadoboana eto Antananarivo Tapi-dalan-kaleha ny fanjakana

Sample post image

Tsy mahita vahaolana amin’ny fahadaboana miseho eto an-drenivohitra mihitsy ny fanjakana foibe sy ny kaominina ambonivohitra Antananarivo rehefa fotoam-pahavaratra tahak’izao indrindra ny filatsahan’ny orana.

15-févr-2022

 Dobo avokoa ireo faritra iva sy ny lalana rehetra an-tanan-dehibe dia tsy misy fanajariana azy na efa andraikitra ny kaominina be izao no mikarakara azy. Mampiferinaina ireo mpampiasa lalana ny fahasimbana sy ny fahadoboana misy eran’ny tanàna eto andrenivohitra. Efa tsy mahazaka maha an-drenivohitra azy intsony ny zava-misy ankehitriny rehefa fotoam-pahavaratra fa milomano ao anatin’ny rano maloto ny be sy ny maro. Any amin’ny tsy tokony atao laharapahamehana indray no hihazakazan’ny fanjakana fa tsy fitadiavam-bahaolana ny lalana feno rano sy tatatra miakatra rano maloto. Mampitaraina ireo mpampiasa lalana rehetra hatrany ny mpianatra ny fahadoboana eto an-drenivohitra. Miteraka fitohanana lavareny rahateo izany izay lasa mitandrinna ny manana fiara sy ny kodiaran-droa mba ho simba ny fitaovam-pitaterana entiny. Tsy mahita vahoalana ve ny fanjakana sy ny kaominiana Antananarivo Renivohitra manoloana ity fahadoboana goavana miseho ity. Na efa nisy aza ny tetikasa fanambaoran-dalana natao saingy ny rano miandrona sy ny fahadoboana dia mbola aretina tsy sitra-panafody ho an’ireo mpampiasa lalana . Tahotra hoan’ny olona ny fotoana filatsahana ny orana ny toerana dobo. Herinandro lasa teo nisian’ny orana nilatsaka dia 15 minitra no efa feno rano ny lalana rehetra indrindra ireo fokontany iva. Maharitra andro maro rahateo vao midina sy maina ny rano.
Tolin
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap