airtel

Actualités

08-avril-2022

Actualités

Fahafatesana mampiahiahy Hofongarina indray ny razan’ilay zazavavy kely

Sample post image

Voatery tsy maintsy ho fongarina indray ny nofo mangatsiakan’ilay zazavavy kely vao 05 taona monja maty tamin'ny fomba mampiahiahy tamin'ny 25 martsa lasa teo tany amin’ny distrikan’i Sambava.

08-avril-2022

Raha araka ny feo miely mantsy dia misy milaza ho nisy nanolana ity zazavavy kely ity ary efa naiditra am-ponja vonjimaika any Antalaha ilay tovolahy nahavan-doza. Misy ihany koa anefa ny resaka hafa mandeha antony mampiahiahy fatratra ny fianakaviana. Mba hahafahan’ireto farany mahafantatra ny tena zava-nisy marina ary dia fantatra fa tsy maintsy hofongarina ao amin’ny fasana ilevenany ny nofo mangatsiakan’ity zazavavy kely ity. Hanaovana « autopsie » mihitsy raha toa ka manam-bola hanaovana izany izy ireo alohan’ny nandevenana azy fanindroany hoy hatrany ny vaovao ary hoentina hiakatra fitsarana amin’ny 11 May ho avy izao ny raharaha. Marihina moa fa nisy ny tsara sitrapo nanampy ara-bola ny fianakavian’ny maty, hahafahan’izy ireo manao ilay « autopsie ». Andrasana araka izany izay mety ho vokany.
Nangonin’i Pati

Legende : Hofongarina tahaka izao ilay nofo mangatsiaka
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap