airtel

Actualités

12-nov-2021

Actualités

Fahafatesana mpianatra mpanamory tao Antsirabe Nampahatsiahy ny toky nataon’ny Filoha ny fianakavian’ny maty

Sample post image

Feno 2 taona omaly, raha ny fitarainan’ny fofombadiny fahavelony, Andrianina Ravel, no nahafaty an’i Rakotoson Mamimaherimanana Andrianina, mpianatra mpanamory fiaramanidina na “ élève officier pilote”

12-nov-2021

 andiany faha 25 tamin’ireo mpianatra ho miaramila. Miandry ny fitsarana any Antsirabe izay nitrangan’ity famonoan’olona feno habibiana ity ny tenako sy ny fianakaviana hatramin’izao, hoy izy. Ny 11 novambra izy no maty ary nolazaina fa anton’izany ny aretina “insuffisance rénale aigue”. Tsy ekeko sy ny fianakaviana io antony hita ho noforonina io amin’ny maha zava-dehibe ny atao hoe aina. Ho tohizanay hatramin’ny farany ny fitadiavana ny marina momba io raharaha io ary mangataka ny fitondram-panjakana manentana foana hoe jereo akaiky io raharaha io mba tsy hisian’ny toe-javatra tahaka izany intsony. Na inona mitranga na inona heverina ho tsiambaratelo na “secret militaire” dia tsy tokony hisy mihitsy aina afoy anatin’izany fampiofanana miaramila izany. Mahatoky ny fahendren’ny fitsarana izahay hamoaka ny mangarahara mikasika ity raharaha ity ary aoka hibaby ny tsy mety nataony izay meloka. 24 volana izay no niandrasanay fa mitaky izahay ankehitriny hoe mba hafaingano amin’izay re ity raharaha ity. Aoka tsy ho verivery foana ny aina, hoy hatrany ny tenany. Manantena ny filoham-pirenena, izay nanome toky fa hanara-maso akaiky ity raharaha ity aho, hoy izy nampahatsiahy, fa tena izany tokoa no ataony.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap