airtel

Actualités

15-juin-2021

Actualités

Fahafatesan’i Nasandratra Valimbavaka Nilaza ho tsy tompon’antoka ny tafika

Sample post image

Nisy omaly ny fanamarihana nataon’ny Etamazaoron’ny tafika, manoloana ny vaovao ambarany fa tsy marina miely

15-juin-2021

 

 

 any anatin'ny tambajotran-tserasera sosialy momba ny fahafatesan’ilay tovolahikely vao 15 taona antsoina hoe: Rambolamendrika Nasandratra Valimbavaka. “Ny 06 jona 2021 tokony tamin'ny 5 ora 30 minitra dia tratran'ireo vahoaka izay nilalao baolina tao amin'ny kianja ny BANI ny mpangalatra roa izay efa voadaroka. Rehefa naheno izany ny miaramila dia nandray andraikitra ary nanapa-kevitra fa hitondra azy ireo any amin'ny “poste avancé” an’ny zandary. Afaka fotoana vitsivitsy, tokony ho tamin'ny 7ora sy sasany anefa dia nisy nampandre fa misy olona lavo eo akaikin'ny EPP BASE. Tonga teny an-toerana ny miaramila ka olona tsy mahatsiaro tena no hita teo, ary avy hatrany dia nitondra ity zazalahy antsoina hoe Rambolamendrika Nasandratra Valimbavaka teny amin'ny toeram-pitsaboana Urgence HJRA rehefa nahita ny ratra nahazo azy”, hoy ny fanazavan’ny tafika tao amin’ny Pejy Facebook Minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Ny vaovao niely izay nodisoin’ny tafika moa dia naneho fa “nisy mpangalatra bisikileta tratra, avy eo anefa dia nisy nahita an'io zaza io nenjehin’ny miaramila izay voalaza fa avy ao amin'ny BANI Ivato nikasi-tanana sy namono io zaza io. Nitady azy ny fianakaviany nanomboka ny Alatsinainy teo ka nilaza izy ireo fa narirariran'ny miaramila tao am BANI Ivato satria ny olona rehetra dia nieritreritra fa nidina tao am BANI Ivato io ankizy io. Nisy manamboninahitra tao amin’ny BANI nilaza tamin’ny zoky vaviny fa naterina tany amin’ny “Urgence” izy, rehefa nojerena anefa ny tao dia tsy hita tao sady tsy tao anaty lisitry ny marary. Araka ny voalaza dia naterina tamin ny 4X4 an BANI Ihany io zaza io ary efa tao amin'ny tranompaty no hita”.

MANDEHA NY FANADIHADIANA

 “Ny fanampiana ny mpiara-belona dia antom-pisian'ny miaramila ka na iza na iza no iharam-boina dia vonon-kanampy lalandava ny tafika. Tafiditra anatin'ny Asa Hifandrimbonana amin'ny Vahoaka (Actions Civilo-Militaire) ny toe-javatra tahaka ity nitranga ity. Noho izany dia manentana ireo mpikirakira sy mampiasa ny tambajotran-tserasera sôsialy ny tompon'andraikitry ny tafika mba hitandrina sy hamakafaka fatratra vao manaparitaka vaovao mba tsy handiso ny zava-nisy. Efa mandeha ny fanadihadiana momba ity trangam-piarahamonina ity amin'izao fotoana izao”, hoy ny Minisiteran’ny fiarovana. Baraingo tanteraka izany hatreto hoe: inona marina ary izany no nahafaty ilay tovolahy ?

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap