airtel

Actualités

16-juin-2021

Actualités

Fahafatesan’i Nasandratra Valimbavaka Nilaza ny tovolahy iray fa novonoin’ny miaramila izy roalahy

Sample post image

Mivoatra ny raharaha mikasika ny fahafatesan-dRambolamendrika Nasandratra Valimbavaka, ilay tovolahy vao 15 taona voalaza fa niharan’ny herisetra teny

16-juin-2021

 Ivato ny 06 jona, ary ny fatiny sisa hita tany amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha. Nisy ny filazana fa ny miaramila tao amin’ny BANI Ivato no nanao herisetra taminy, saingy nandiso izany ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika ny 14 jona teo. Nisy kosa ny vaovao nivoaka omaly, fa velon'aina ilay tovolahy niaraka tamin-dRambolamendrika Nasandratra Valimbavaka. Mangana sy feno ratra ny vatany, I Nasandratra kosa namoy ny ainy. “Notantarain'ity tovolahy ity tamin'ireo olona akaiky azy fa novonoin'ny miaramila izy ireo. Araka ny voalazany, nafaran'ny miaramila izy, hoe : aza miteny hoe zahay no namono an'ialahy fa matinay ialahy raha maheno feo izahay  hoe novonoinay ialahy", araka ny tati-baovao navoakan’ny “Faits divers mada” omaly. Vao mainka misafotofoto ny raharaha, fianakaviana milaza fa ny miaramila no nidaroka azy ireo. Ny fanambaran'ny Etamazaoron'ny Tafika, omaly, kosa nandiso izany. Mitohy kosa ny fanadihadiana nankinina amin'ny zandary. Hatreto, milaza fa tsy hanaiky mora ireo fianakavian'izy roalahy. Zava-dehibe mety hivoahan’ny marina ny fahitana io tovolahy iray izay naratra sy mangana io eo anatrehan’ny toe-draharaha mifamahofaho. Tsy mbola nisy aloha ny fandisoana nataon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena momba ny voalazan’ilay tovolahy iray, 4 ora taorian’ny nivoahan’ny fivoaram-baovao omaly.

 Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap