airtel

Actualités

10-nov-2021

Actualités

Fahafatesan’i Valimbavaka Begalona 4 sy miaramila 13 hiakatra fampanoavana anio

Sample post image

Taorian’ny hetsika fanairana nataon’ny fianakavian-dRambolamendrika Nasandratra Valimbavaka na “Mota” teny amin’ny Fitsarana Anosy ny alatsinainy teo,

10-nov-2021

 nanao antso avo ny hanohizana ny famotorana sy ny fitsarana ireo voarohirohy tamin'ny nahafaty ity tovolahikely ity vao 13 taona ity ny jona 2021 teo, dia nivoatra ny raharaha. Raha ny nambaran’ny havan’ny maty omaly, namoaka fahazoan-dalana fanenjehana na “Ordre de poursuite” ho an’ireo miaramila voarohirohy ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Manamboninahitra miisa 4 sy miaramila tsotra miisa 13 eny amin'ny BANI Ivato no voalaza fa namoahana izany. Raha ny nambaran’ny havan’ny maty ny alatsinainy ary nohamafisin’izy ireo omaly teo, dia nanamafy ny fijoroana vavolombelona ilay tovolahy iray 15 taona niara-nosamborina sy nilaza fa niara-voadaroka tamin’I Valimbavaka ny 06 jona 2021. Ity farany izay voalaza fa notoriana ho nanao fanalam-baraka. Efa nambaran’ireto havany moa, fa nolazain’ny miaramila fa tratra nangalatra tao amin’ny “camp” ka tratry ny fitsaram-bahoaka tao ity tovolahikely ity. Nambara fa naratra mafy, ary naterina tany amin’ny Sampana Vonjy aina teny amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha, kanefa nilaza ny tao fa tsy nisy an’izany, hay olona efa maty no voalaza fa naterina tany, ary nivantana tany amin’ny tranom-paty, raha zohiana ny tantara. Ny 12 jona vao hita I Valimbavaka, izay efa vatana mangatsiaka sisa. Voalaza fa nisy fikambanana nanambitamby ny fianankaviana ka nandraviravy vola 16 000 000Ar mba handaminana ny raharaha, saingy nandà izany izy ireo. Ny Fitsarana moa no tompon’ny teny farany, hamaritra ny maha meloka na tsia ireo voarohirohy. Ny fanontaniana mipetraka kosa ny hoe: nodiana adala sy nampanginina tanteraka izany ity raharaha ity raha tsy nanao fihetsiketsehana ny havan’ny maty? Anio no 10 novambra no voalaza fa hiakatra fampanoavana ny raharaha, ka dia andrasana ny tohiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap