airtel

Actualités

21-avril-2021

Actualités

Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety Nihemotra ny laharan’i Madagasikara manerantany

Sample post image

Nihemotra ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.

21-avril-2021

 

 

 Eo amin’ny laharana faha-57 manerantany isika raha ny fandaharana nataon’ny Reporters sans frontiers ho an’ny taona 2021. Very laharana telo i Madagasikara miohatra ny tamin’ny taon-dasa 2020, nametra antsika teo amin’ny laharana faha-54. Heverina fa anisany nanaratsy endrika an’i Madagasikara ny fampidirana am-ponja mpanao gazety, nisesy ny taona 2020. Teo ny raharaha Rahelisoa Arphine, talen’ny famoahana ny gazety Ny Valosoa Vaovao. Ny 4 aprily 2020 izy no niditra am-ponja tao Antanimora ary voatazona tao nandritra ny iray volana. Mbola eo koa ny raharaha Rahajason Harry Laurent na Rolly Mercia, mpanao gazety sady minisitry ny serasera sy ny kolontsaina teo aloha. Ity farany izay voatazona ao Antanimora nanomboka tamin’ny jolay 2020 nohelohin’ny fitsarana higadra 44 volana an-tranomaizina, ary mbola any am-ponja amin’izao.Ankoatr’izay dia mbola nisy ihany koa  ny fampiantsoana mpanao gazety atao fanadihadiana teny amin’ny sampana heloka bevava an’ny zandarimariam-pirenena. Norvezy, Finlandy ary Soeda, izay samy firenena eoropeana no telo voalohany amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety manerantany. Aty amin’ny ranomasimbe indianina kosa, dia voalohany eo alohan’i Madagasikara ny nosy Seysela ary fahatelo aorianantsika ny nosy Maorisy.

Jean D.

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap