airtel

Actualités

05-mars-2021

Actualités

Fahamaizan’ny ONE Mba nanao ahoana moa ny tohiny raharaha ?

Sample post image

Efa ny 15 jolay 2020 no may ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana (ONE) tetsy Antaninarenina,

05-mars-2021

 

 

 

 ary nisy ampahany kila ihany koa ny tranon’ny Paositra Malagasy. Mpiambina iray tamin’izany fotoana no natao fanadihadiana, nosoloina ny Tale Jeneraly, nafindra vonjimaika teny Nanisanna ny birao. Martsa 2021 isika izao kanefa tsy mbola fantatra izay tena marina? Nangingina rehefa nandeha ny volana sy ny andro. Toerana tena saropady sy stratejika ny ONE raha tsy hiteny fotsiny ny hoe izy no sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana avy eo mamoaka na tsia ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ho an’ireo orinasa goavana na tetikasa goavana mijoro eto Madagasikara, hoy ny fanamarihana avy amina mpandinika sy mpanaraka ny raharaham-pirenena. Ahoana marina no niandohan’ny afo? Natsidika kely fotsiny tamin’ny fotoan’androny fa niniana natao ilay izy. Nisy fanambarana moa taorian’ny fahamaizana fa hoe avotra ihany ny “disque dur” an’ny solosaina nisy ny tahirin-kevitra. Tena izay tokoa ve sa resaka natao mba hampilamina ny sain’ny rehetra fotsiny iny? Ahoana ny tohin’ny fanadihadiana sa izay may dia may? Hoy ny fanamarihana. Maro ny raharaha toa vitavita ho azy eto amintsika, izay toa zara aza adinon’ny olona. Voambolana fandre matetika sy azo lazaina ho fampandriana adrisa ny hoe: “efa mandeha ny fanadihadiana”.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap