airtel

Actualités

03-sept-2025

Fahapoizinana sa fanapoizinana...

Mpanakanto 2 avy nanafana aniversera indray maty!

Sample post image

Mitohy ny ahiahy mikasika ny fahapoizinana ara-tsakafo.

03-sept-2025

Taorian’ny lanonana iray natao teny Ampitatafika ny sabotsy lasa teo, olona telo avy amin’ny tarika Lego no voakasika ka mpanentana, mpitendry clavier, ary mpihira vehivavy. Vokany, nodimandry ny alahady maraina teo i Mamix Radegany claviériste. Tsy tana ihany koa ny ain'i Chaydi mpanentana, nodimandry ny talata maraina. Ny mpihira vehivavy iray izay niaraka tamin’izy ireo dia mbola tsaboina ao amin’ny HOMI Soavinandriana. Raha ny voalaza fa fanazavan’ny fianakaviana dia niseho haingana sy nahery vaika ny soritr’aretina: aretina an-doha, fanandoavana, fahaverezan’ny fahitana, niraikitra ny lela ary nikarainkona ny vatana. Tsy nisy fiantraikany tamin’ireo olona 75 hafa nanatrika ilay lanonana. Mampahatsiahy ny raharaha Ambohimalaza izay namoizana ain'olona hatrany amin'ny 33, ny tany Ambositra namoizana 18,... Soritr'aretina mitovy raha raisina amin'ireo. Samy tranga tao anaty fankalazana tsingerin-taona ity sy ny raharaha Ambohimalaza. Fifandrifiana ve? Fanapoizinana niniana natao ve sa fahapoizinana ara-tsakafo? Ny teo tsy milamina fa noteren-ko masaka fotsiny tamin'ny hoe: belladone sy Datura, ny Fitsarana tsy hita izay tohiny 3 volana aty aoriana, ny fianankaviana mitaky ny marina,.... Mbola manjavozavo hatramin'izao ireo toe-javatra hisiana faty olona marobe sy misesisesy hoe: tena loza toy ny loza rehetra ve? Misy sakafo mitera-doza miparitaka eto amin'ny Firenena? Sanatria misy ambadika hafahafa toy ny resaka andrana fandripahana olona? Sorona? Fifandrifian-javatra ve ny fiverimberenan'ny hoe: miteraka fahantrana ny fiterahana maro ka sanatria misy politika avo lenta mety tsy avy eto ihany? Nahoana ihany koa ny Firenentsika no tsy mba manao fisaonam-pirenenana manoloana ireo faty nikararana? Ireo tranga tany aloha tsy hita izay niafarany dia izao tsy misy tranga hafa mampalahelo indray. Mankahery ireo fianakaviana eo anatrehan'ny fahoriana mianjady.
SAMIA MAILO
Andrasana fatratra ny valin’ny fitsirihana ny razana autopsie izay antenaina hanazava ny antony marina nahafaty azy ireo. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny manam-pahefana. Fanentanana ho an’ny rehetra : Tandremo ny sakafo zaraina amin’ny lanonana, jereo ny daty ahafahana manao ny fitehirizana ary ny loharano. Raha misy tranga mampiahiahy antsoy avy hatrany ny laharana maitso 961.
Toky R

Dans la même rubrique

21-avril-2026

Ben'ny tanàna ny Vahoaka

Card image cap
21-avril-2026

10 volana izay no dify taorian’ ny

Card image cap
21-avril-2026

hoy ny ben’ny tanàna

Card image cap
20-avril-2026

amin’ny Fanjakana sy ny PTF

Card image cap
20-avril-2026

ny fanenjehana ny Mopera Pédro

Card image cap