airtel

Actualités

22-févr-2022

Actualités

Fahasahiranan’ny Jirama Toamasina Nampindrana gropy lehibe 2 i Ambatovy

Sample post image

Nampindrana milina mpihary herinaratra na « groupe électrogène » roa ny Jirama ao Toamasina ny orinasa Ambatovy.

22-févr-2022

Antony ny fahasahiranana atrehin’ny Jirama amin’ny famatsiana herinaratra ao Toamasina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Dumako, ka nanapa-kevitra Ambatovy ny hampindrana « groupes électrogènes » roa samy manana tanjaka 825 kVA avy ho an’ny Jirama any an-toerana. Natolotra ny 18 febroary 2022 teo ireo fitaovana ireo izay misanda 142.200 dôlara tsirairay avy, araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’Ambatovy omaly. Marihina fa ny Orinasa Ambatovy no hisahana ny fikojakojana ireo fitaovana ireo ary ny Jirama kosa no hiantoka ny solika hampandehanana azy. Tsiahivina fa efa nanolotra « générateurs » roa misanda 16,5 arivo tapitrisa ariary ho an’ny Jirama ao Toamasina Ambatovy ny taona 2016, ho fandraisany anjara amin’ny fanatsarana ny famatsiana herinaratra ho an’ny tanànan’i Toamasina, ary izao mampindrana milina lehibe izao indray mba hanampiana sy hampitomboana ny famokarana herinaratra.

Toky R


 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap