airtel

Actualités

21-juin-2022

Actualités

Fahasalaman’ny olona varira Vidiana 90.000 Ar ny crème iray tsy maintsy hampiasaina

Sample post image

Homamiadan’ny hoditra no mahatonga ny olona iray ho lasa varira, raha araka ny fanadihadiana natao. Vao teraka izy dia efa mitranga izany,

21-juin-2022

 izay fantatra fa misy fiantraikany amin’ny masony ihany koa. Tsy dia mahita tsara ohatra ny olon-drehetra mantsy izy ireny raha tsy amin’ny alina irery ihany, antony mahatonga ny sasany tsy maintsy mitondra solomaso. Miaina toe-javatra sarotra ny olona varira eto amintsika, raha araka ny fanadihadiana natao ihany. Tsy afaka milona rano maharitra mantsy izy ireny fa mivoaka bontsibontsina ny hodiny. Tsy mahazo mitanin’andro maharitra ihany koa fa mangirifiry fatratra ny tenany hany ka miteraka fijaliana ho azy izany. Vokany, tsy maintsy mampiasa ilay crème solaire vidiana 90.000 Ar hahositra amin’ny tenany izy ireny rehefa hivoaka ny trano. Vetivety ihany anefa dia lany io crème io antony mahatonga ny sasany hisitrika tsy hivoaka ny trano mihitsy, ankoatra ilay fangalarana sy famonoana azy ireny izay tena nahazo vahana teto amintsika tokoa tato ho ato. Hisy moa ny lalana hapetraka entina hiarovana azy ireny eto Madagasikara hahafahany miaina toy ny olon-drehetra. Efa hatrany an-kibo moa homamiadan’ny hoditra mahazo ny ankizy varira.

Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap