airtel

Actualités

27-juil-2022

Actualités

Fahasamihafan’ny toetr’andro Mila mitandrina rehefa hanao vakansy

Sample post image

Tafiditra tanteraka ato anatin’ny ivon’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny. Mamirifiry mafy izany amin’ny ankapobeny nefa mbola misy hafanana ihany any amin’ny faritra sasany toa an’i Mahajanga.

27-juil-2022

Tsy vitsy ireo lasa mihazakazaka any an-toerana noho izany, fihetsika izay ilana fitandremana be raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina omaly. Rehefa miala amin’ny toerana mangatsiaka ka mankany amin’ny mafana na avy any amin’ny mafana ka mankany amin’ny toerana mangatsiaka mantsy dia tokony hitandrinabe amin’ny fitafiana raha araka ny fanazavan hatranyy hisorohana ny aretina avy tampoka toy ny tazo.Tokony ho atin’akanjo vita amin’ny hasy hatrany no hanaovana hoy izy. Tokony hisotro rano 1 litatra isan’andro ihany koa ho an’ireo milanja 50 kg, rano izay nohamafisiny fa avy nampangotrahana, tokony ho ampy torimaso tsara ary tokony hihinana sakafo ara-pahasalamana ahitana ny proteina, ny sakafo mitondra hery sy hafanana ary ireo karazan-tsakafo ahitana otrik’aina ny tsirairay. Tokony hitandrina ihany koa hoy dokotera Fidy manoloana ireo karazan-tsakafo tsy mahazatra ny vavony hita any amin’ny faritra hialana amin’ny aretin-kibo sy ny tsy fahalevonan-kanina. Ho an’ireo manana aretina mitaiza moa dia nohamafisin’ny dokotera Fidy fa tokony hitondra fanafody hatrany izy ireny rehefa miala ny tokantranony ary tokony hanatona dokotera avy hatrany raha vantany vao misy tsy fahasalamana mipoitra tampoka.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap