airtel

Actualités

02-août-2022

Actualités

Fahataran-karaman’ny PAT Hikatso tanteraka ny oniversiten’Antananarivo

Sample post image

Tsy mbola nisitraka ny karama volana jolay izay nambara fa hisy fahatarana kely ny mpandraharahan’ny Oniversiten’Antananarivo na ny PAT (Personnel Administratif et Technique).

02-août-2022

Nanapa-kevitra ny hampikatso tanteraka ny oniversite noho izany PAT. Nifanaraka ny PAT fa hidiana tanteraka ny vavahady, hampitomboana ny tsy famohana birao, tsy hisy ny fikarakarana diplaoma sy “certificat”, ny fikarakarana fanadinana efa tsizarizary nanomboka omaly, mikatona daholo ny birao rehetra manomboka anio. Efa nilaza ny Tale ara-bolan’ny oniversite (DAF) fa ho tara, hatramin’y 26 jolay no noresahina, kanefa hatramin’izao tsy mbola nivoaka. Misy ny fahatarana ny famoahan’y vola teny anivon’ny oniversite izay efa nandrasana hatramin’ny 20 jolay. Ankasitrahanay ny nanaovana ny karaman’ny mpandraharaha ho ao anatin’ny “budget général” saingy tsy tokony hitarazoka be tahaka izao ny fikarakarana, hoy ireo mpandraharaha. Mbola kely ny fanantenana hivoahan’ny karama manomboka amin’izao fiandohan’ny volana izao, hoy ny PAT, ka milaza tsy hiasa izy ireo raha tsy mivoaka ny vola.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Miitatra ny savorovoro eo anivon’ny Kaominina Antananarivo eo anatrehan’ny raharaha fampidiram-bola sy fitantanam-bola.

Card image cap
16-avril-2024

Betsaka ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha,

Card image cap
16-avril-2024

Ny vinavinan’ny fitomboan’ny mponina eto Madagasikara niainga tamin’ny RGPH-3 (Récencemant Général de la Population et de l’Habitation)

Card image cap
16-avril-2024

Mba hanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary, napetraka ny rafitra fifanakalozam-baovao

Card image cap
16-avril-2024

Tsy nitsahatra nanentana eo amin’ireo mpandraharaha hisitraka ny

Card image cap
16-avril-2024

Mafy ny manjo ireo fianakaviana manodidina ny 20 isa monina amina trano miisa 5 mipetraka

Card image cap