airtel

Actualités

20-juil-2022

Actualités

Fahatsiarovana ireo mahery fo notifirina Nomarihina omaly tao Ampitifirana-Ankatso

Sample post image

Notontosaina omaly tao Ampitifirana ao anatin’ny faritry ny Oniversiten’Antananarivo ny lanonam-pahatsiarovana ny nitifirana ireo maherifon’ny firenena.

20-juil-2022

Ny 19 Jolay 1948 tokoa mantsy no notifirina teto amin’io toerana io ireo maherifon’ny firenena niady nitaky ny fahafahana sy ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara, nahitana ny Lietinà Randriamaromanana Albert, Rakotondrabe Samuel, Ratsizafy Samuel, Bekamisy ary i Lezoma. Nitarika izany lanonam-pahatsiarovana izany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, notronin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika. Nanotrona ny lanonana kosa ny mpikamban’ny governemanta maromaro, lehibena andrim-panjakana, manam-pahefana sivily sy miaramia samihafa. Nisy ny fametrahana fehezam-bonikazo teo amin'ny tsangambato fahatsiarovana nataon’ireo andiany mitondra ny anaran’i LTN Randriamaromanana avy ao amin’ny SEMIPI sy avy ao amin’ny CEDS (Centre d’Etudes Diplomatiques et Stratégiques) ary nofaranana tamin'ny fitsidihana ny tranoeva fampiratiana misy ny tantaran'ireo maherifo sy ny fitaovana nampiasaina tamin'izany. Ny Fitaleavan’ny Mpiady Tia Tanindrazana (Direction des Combattants Nationalistes) ao Analakely moa no mitahiry ny tantara sy ireo vakoka rehetra mahakasika ireo maherifon’ny firenena sy misahana ny fizarana ny fisotroandronono ho an'ireo bekotro maroholatra, araka ny fanamarihan’ny eo anivon’ny Tafika Malagasy.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Miitatra ny savorovoro eo anivon’ny Kaominina Antananarivo eo anatrehan’ny raharaha fampidiram-bola sy fitantanam-bola.

Card image cap
16-avril-2024

Betsaka ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha,

Card image cap
16-avril-2024

Ny vinavinan’ny fitomboan’ny mponina eto Madagasikara niainga tamin’ny RGPH-3 (Récencemant Général de la Population et de l’Habitation)

Card image cap
16-avril-2024

Mba hanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary, napetraka ny rafitra fifanakalozam-baovao

Card image cap
16-avril-2024

Tsy nitsahatra nanentana eo amin’ireo mpandraharaha hisitraka ny

Card image cap
16-avril-2024

Mafy ny manjo ireo fianakaviana manodidina ny 20 isa monina amina trano miisa 5 mipetraka

Card image cap