airtel

Actualités

01-févr-2021

Actualités

Fahazoan-dalana hanorina trano Fantaro ny momba azy sy ireo dingana arahina

Sample post image

Nirodana tampoka vokatry ny ora-nikija teto an-dRenivohitra, ny 27 janoary teo,

01-févr-2021

 

 

 

 

ny trano lehibe iray eo an-dalam-panamboarana eny Anosizato Atsinanana I. Nisy maty sy naratra mafy vokatr’izany. Nilaza ny kaominin’Antananarivo renivohitra fa tsy nanana fahazoan-dalana hanorina na « permis de construire »   izy io, izay tena zava-doza ary fandikan-dalàna tsotra izao. Betsaka tokoa ireo trano, tamboho ary tsena miorina etsy sy eroa. Vitsy amin` izy ireo no mandalo kaominina fa manorina bontolo fotsiny. Raha ny lalàna misy ny sazy ho an` izy ireny.

 

FAHALAINANA, KOLIKOLY, ANTONTAN-TARATASY BE LOATRA

Betsaka no tsy manara-dalàna amin` ny fanorenana trano eto Madagasikara. Ho an` Antananarivo sy ny manodidina dia maherin` ny 50% no tsy manana fahazoan-dalana manorina trano nefa vita ihany ny fanorenana. Na dia eo ny fanentanana ataon` ireo tomponandraikitra ho an` izay hanorina na hangataka izany dia tsikaritra aloha fa ny tsy finiavan` ny olona hanao izany no antony voalohany. Eo koa ny tsy fahalalana ny tokony hatao. Raha vonona hanao izany aza anefa dia mbola kolotsaina ho an` ny Malagasy ny tsy fahazotoana miditra biraom-panjakana. Maro loatra ireo taratasy angatahina ankoatra ny saran` ny fangatahana aloa. Hany ka izay mahita irika dia manao kolikoly na io mivantana na an-kolaka. Misy moa ireo olona manana taratasy feno ara-dalàna rehefa tonga any amin`ny biraom-panjakana dia anaovana antsonjay amin` ny zavatra hafa ka lasa miverin-dalana izy ireny avy eo.

 

FANGATAHANA FAHAZOAN-DALANA

Miainga amin` ny fakana antontan-taratasy mikasika ny tany toy ny “plan officiel” sy ny “certificat juridique” no dingana voalohany atao rehefa haka ny fahazoan-dalana hanorina trano. Ho entina eo anivon` ny “service régional de l`aménagement du territoire » (SRAT) izay sampandraharaha misahana ny fananan-tany ireo antontan-taratasy ireo. Hakana ny fepetra hampanajariana (prescription d`urbanisme). Ho an` Antananrivo Renivohitra dia eny Ambatomena no hakana izany. Rehefa azo io dia izay vao entina eny anivon` ny kaominina. Ankoatra izay dia maka ny “autorisation d`alignement” eny amin` ny kaominina indray ny mpangataka. Ity farany no mamaritra ny faritra tsy azo hanorenana eo amin`ny taniny. Miankina amin` ny fotodrafitrasam-panjakana misy eo. Ohatra amin`izany ny lalam-by, arabe, sns… Voafetra araka io amin` ny alalan` ny atao hoe “croquis d`alignement” mivoaka ny toerana azo hanorenana. Io indray no miampy ny “prescription d`urbanisme” no fototra entin`ny mpangataka hanamboarana ny sarin` ny fotodrafitrasa (plan) kasaina atao. Vita ireo rehetra ireo vao manao ny fangatahana eny amin`ny kaominina ny tompon` ny fanorenana. Manambara aorian`izay ny kaominina raha mety na tsia izany.

 

45 ANDRO

Manomboka eo dia miankina ny velaran` ny fotodrafitrasa no hamantarana ny tohin` ny antontan-taratasy. Raha latsakin` ny 500m² ny totalin` ny fanorenana atao dia ny kaominina no mamoaka ny fahazoan-dalana hanorina. Raha mihoatra ny 500m²-1000m² dia alefa any amin` ny governora izay misy azy ka ireto farany no mamoaka ny “permis de construction”. Raha mihoatra ny 1000m2 ny habean` ny fanorenana dia alefan` ny sampandraharahan` ny faritra any amin` ny Minisiteran` ny fanajriana ny tany sy ny asa vaventy (MATP) ka ireto farany no mamoaka io antontan-taratasy io amin` ny alalan` ny “arreté” ary miverina eny anivon` ny kaominina avy eo. Eo no mandoa ny sarany na ny “droit de voirie”. Hatreto ho an` Antananarivo dia 3 000 ar/m2 io sarany io. Ankoatra izany dia mety hisy sarany hafa amin`ny fikarakarana antontan-taratasy hafa. Raha tsy misy olana ireo antontan-taratasy dia manodidina ny 45 andro ny faharetan` ny fangatahana fahazoan-dalana hanorina trano.

ANTONTAN-TARATASY ILAINA:

• Antontan-taratasy mikasika ny fandaharana ho mahitsy ny fanorenana manamorona ny arabe izay ahitana ny fitanana an- tsoratra sy ny drafi-tsary mifanandrify amin' irany (Alignement)

• Ny drafi-tsary maneho ny faritra misy ny tany atao sosony dimy (5) ( plans topographiques)

 • Drafi-tsary miisa telo (3) maneho ny fanorenana kasaina hatao ary koa ny sary maneho ny lafiny manatrika sy ny mihorirana ilaina mba ahazoana tsara izany (plans de la maison à construire). Marihana fa tsy maintsy “architecte” mpikambana ao amin` ny holafitrin` ny “architecte”manomboka izao no manao ireo planina.

 • Drafi-tsary ofisialy misy ny mandrefy Laborde atao sosony telo mitovy (plans d’implantation)

• Taratasy manamarina ny fahavitana kadasitra na taratasy manamarina ny fahavitana baorina nomena latsaky ny telo (3) volana (certificat de situation juridique).

 • Taratasy fangatahana ho an` ny ben`ny tanàna sy ny sefom-pokontany

TSARA HO FANTATRA 

 Araka ny lalàna lah. faha 98-031 tamin` ny 20 janoary 1999 sy ny hitsivolana faha-60-167 tamin` ny 3 oktobra 1960 momba ny fanatsaràna ny tanàna dia voafaritra ao amin` ny and. faha-12 fa « mety hitarika ny fisintonana na ny fampiatoana ny fahazoan-dalana hanorina eo amin`ny tany ny tsy fanaovana peta-drindrina izany fahazoan-dalana izany ».

 

Marigny ANDRIANTSOAVA

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap