airtel

Actualités

19-juil-2024

FAKON’ANDRALANITRA

Havadika ho « gaz » sy zezika ho azo hampiasaina…

Sample post image

Havadika ho gaz bio-methane sy zezika bio-composte ny fakon’Andralanitra manomboka izao.

19-juil-2024

Najoro omaly Alakamisy 18 Jolay ary hanomboka hanao ny asany ny orinasa hanatanteraka izany izay hampiasa vola manodidina ny 60 tapitrisa Euros. Gaz 400 taonina isan-taona no hovokariny raha 800 taonina isan-taona kosa ny zezika. Ho an’ity farany manokana dia fantatra fa 200 taonina isan’andro ny fako haodina ka olona manodidina ny 500 isa no hahazo asa. Anisan’izany ireo misehatra amin’ny fanodinana ireo akora plastika, ny metalika….Amin’ny volana Jolay taona 2025 moa no hanomboka hivarotra ireo vokatra ity orinasa iray ity izany hoe : 12 volana aty aoriana. Tafiditra ao anatin’ny fanampiana ireo vahoaka manodidina an’Andralanitra izay mahatsiaro ho sahirana amin’ny fiparitahan’ny fofon’ny fako eny an-toerana moa izao hetsika izao raha eo ihany koa ny fanomezana asa ny mpiara-belona.
Pati
Legende : Havadika ho vola ity fakon’Andralanitra ity manomboka izao !

 

Dans la même rubrique

14-nov-2025

Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340

Card image cap
14-nov-2025

Tafakatra 3 ireo mpiasan’ny Jirama

Card image cap
14-nov-2025

Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny

Card image cap
14-nov-2025

Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny

Card image cap