airtel

Actualités

25-janv-2021

Actualités

Faktiora midangana Nobedesin-dRajoelina mafy ny Jirama

Sample post image

Tsy azo ekena hoe ny tolotra aotra kanefa ny faktiora miakatra 100% raha ny

25-janv-2021

 

 

 

 

nambaran’ny Filohan’ny Repoblika, izay niantefa mivantana tamin’ny Tale Jeneralin’ny Jirama Vonjy Andriamanga omaly alahady tany Toamasina. Mila manatsara ny tolotra omeny ny JIRAMA. Mila tsinjovina ny fahefa-mividin'ny vahoaka. Herinaratra ho an'ny rehetra amin'ny vidiny mirary no tanjona. "Hatsarao aloha ny fomba fiasa vao mikitikitika faktiora ianareo...", hoy ny Filoha Andry Rajoelina, hita ho somary tezitra mihitsy. Noraisin’i Andry Rajoelina ho ohatra ny fisiana mpanjifa eo amin’ny 200 000Ar ny faktiora fandoany kanefa lasa 600 000Ar. Misy ny 10 000 Ar lasa 60 000Ar,… Nambarany fa vao mivoaka ny krizy isika, mihena ny vola miditra amin’ny tokantrano etsy andaniny. Tsiahivina fa ao anatin’ny tolotra Optima, ho an’ireo mandany mihoatra ny 300 KWh, dia 370Ar hatramin’ny 390Ar ny KWh ho an’ny «1ère tranche », ary raha mihoatra an’io dia 764Ar « 2ème tranche ». Ho an’ny olona mandany 150 sy 300kWh kosa dia 370Ar. Ho an’ny « tarif économique » 764Ar raha vao mihoatra ny 130kWh. Na ho an’ny tarif 16 na 14 mandany latsaky ny 150 KWh anefa, dia nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Jirama fa nisy fihenany 80% ny vidin-jiro.

FANAMBY AZO HAVAOZINA

Fanamby napetraky ny Filoha ny hisitrahan’ny 50% amin’ny mponina herinaratra avy amin'ny angovo azo havaozina. Tsara ny manamarika fa 15% eo izany izao. Notokanana notokanana omaly 24 janoary 2021 teto Tanambao Verrerie Toamasina ny toby famokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro. Amin'izao dingana voalohany izao, dia "plaques solaires" miisa 5580 no efa am-perinasa ao an-toerana ka manana tanjaka hatramin'ny 2MW, izay efa tafiditra ao amin'ny tambazotran'ny JIRAMA ho an'i Toamasina 1 nanomboka tamin'ny volana aogositra 2020. Ao anatin'ny roa taona ho avy dia ho tafiakatra hatramin'ny 20MW ny ho vokarin'ity tobim-pamokarana ity izay hanome fahafaham-po ny filàna tokantrano miisa 30.000 ho an'i Toamasina I sy II, hoy ny fanazavana. Handray anjara amin'ny fampidinana ny saran'ny herinaratra araka izany ny fampiasana ireo angovo azo havaozina.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap