airtel

Actualités

14-févr-2022

Actualités

Fambolem-bary 160 000 ha no omena ny Arabo sy ny Sinoa

Sample post image

Hamboly vary any amin’ny Faritra Menabe ny Sinoa. Velarantany iray hetsy hekitara no hiompanan’ny tetikasa. 2.000 hekitara (ha)

14-févr-2022

no hanombohana azy ao amin’ny Distrikan’i Manja. Hitentina hatrany amin’ny 50 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola hoentin’izy ireo amin’izany. Nivoitra io nandritra ny fidinana ifotony nataon’i Dr Jean Louis Robinson, ambasadaoro malagasy any Sina niaraka tamin’i Hawel Mamod'Ali, minisitra mpiahy ny Faritra ary ireo iraka Sinoa. Roa taona talohan'izao no nambara ihany koa fa hitrandraka velarantany 60.000 hekitara any amin’ny lemak’i Mangoky ny orinasa Elite Agro avy any Abu Dhabi Emirats Arabes Unis hamboly vary, soja, kabaro … Tsy vitan’ny hoe foto-tsakafon’ny Malagasy ny vary fa tena mifamatotra amin’ny kolontsaina ihany koa. Mihinana 138 kg isan’olona isan-taona ny Malagasy iray any ambanivohitra raha toa ka 113 kg izany ho an’ny mponina amin’ny tanan-dehibe. Manodidina ny 4,5 tapitrisa taonina eo ny vary akotry miakatra amin’ireo velaran-tany 12 tapitrisa hekitara voavoly hatreto. Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny hoe : efa tsy marisika mamboly vary ve intsony ny Malagasy fa nomena ny tsy miankina vahiny ? Toa manaporofo izany ny fitobaky ny vary vahiny eny an-tsena izay mora vidy kokoa noho ny vary zanatany, ka maha kivy ny tantsaha. Eny hatramin’ny masomboly aza efa miditra an-tsehatra ny vary safiotra Sinoa na eo aza ny voka-pikarohana avy amin’ny FOFIFA. Tsiahivina fa ny fikasana hanomezana tany ny orinasa vahiny Daewoo Logistics Corporation koreana tatsimo, hambolena katsaka, no nitsongolan’ny mpanohitra ka nitarika tamin’ny fanonganana an’i Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana ny taona 2009.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap