airtel

Actualités

25-janv-2021

Actualités

Fambolen-kazo Mitaky fanaraha-maso mba hahazoam-bokatra

Sample post image

13% ny olona efa nanatanteraka fambolen-kazo ihany no nilaza ny nanara-maso

25-janv-2021

 

 

 

 

ny hazo namboleny, araka ny fanadihadiana taona 2020. Araka izany, tsy naniry araka tokony ho izy ny fambolen-kazo nandritra ireo taona nifanesy. Tsy tokony hijanona amin`ny fanatsatohana hazo fotsiny ny olom-pirenena fa mila manamafy ny fanaraha-maso hahazoam-bokany marina ka ahafahana miroso amin`ny fandrakofana ala indray ny firenena izay andraindraina manomboka izao, hoy Baomiavotse Vahinala Raharinirina, minisitry ny tontolo iainana (MEDD). “Samy mahatsapa ny olom-pirenena amin`izao fa ny fanapotehana ny ala nandritra 60 taona dia vidiana lafo. Araka izany, mila fanaraha-maso miaraka sy fiahiana ny fambolen-kazo” hoy ny fanazavana. Notontosaina tetsy amin`ny EPP Ampahibato Alasora, ny sabotsy lasa teo, moa ny fiara-mientana amin`ny fanentanana an-tsekoly mahakasika ny fambolen-kazo sy ny fiarovana ny tontolo izay niarahan` ny ekipan` ny MEDD sy ny Rotary Club . Zana-kazo miisa 1 200 izay ahitana Flamboyant nain, frênes, Lucena ihany koa no nambolena teo amin’ny 600 metatra manamorona ny lalan’Alasora.

 

 Marigny A.

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap