airtel

Actualités

14-juin-2021

Actualités

Famokarana angovo Mihemotra amin’ny 2025 ny fampiasana an’i Volobe

Sample post image

Mihemotra amin’ny taona 2025 ny fahafaha-mampiasa ny ivon-toerana famatsiana angovo ao Volobe (Faritra Atsinanana)

14-juin-2021

 

 raha novinaniana ho afaka hiasa afaka 2 taona. Tsy nahitana fivoarana ny mikasika ny soniam-pifanaraha-miasa mikasika ny fahazoana izany sy ny fifanarahana momba ny fanjifana herinaratra mikasika izany, raha ny tatitra voaray avy amin’ny vovonan’ny seraseran’ny kaompaniam-pirenena mikasika ity famatsiana angovo na « hydroélectricité » ao Volobe (CGHV) ity. Efa vonona hatramin’ny taona 2020 nefa ny tetikasa momba ny fifanarahana amin’ny fandraisana izany sy ny antsoina hoe PPA na « Power purchase agreement ». Ny areti-mandripaka Covid 19 rahateo no isan’ny nampitarazoka ny fanapahan-kevitra, raha ny fanazavana. Tsiahivina fa ity ivon-toerana izay manana tanjaka 120 mégawatts ity dia notombanana hamokatra ho an’ny faritra Atsinanana no sady hamatsy ny vokany amin’ireo tambazotra mifandray amin’Antananarivo na RIA.

 

120 MW ny herinaratra hovokarina ao Volobe. 25m ny haavon'ny toho-drano ary manodidina ny 660 Ha ny velaran'ny farihy.Asa maherin'ny 500 no hoforonina.2 tapitrisa ny mponina ho voakasika mivantana ary tokantrano maherin'ny 360.000 no vinaina hisitraka angovo.

 

J. Mirija

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap