airtel

Actualités

11-janv-2022

Actualités

Famokarana herinaratra Jona 2022 vao tena hilamina Andekaleka

Sample post image

Nambara omaly fa hisy ny milina faha-4 manana tanjaka 34MW hapetraka ao Andekaleka amin’ny volana ho avy io mba hampiakarana ny famokarana mamatsy an’Antananarivo.

11-janv-2022

Tanjona ny hampiakatra ny herinaratra vokarina ao Andekaleka ho 120MW, raha 90MW izany ankehitriny. Tapaka tanteraka moa ny famokarana any an-toerana amin’izao vokatry ny fahamaizan’ny « tranformateur » mamoaka 30MVA ny 02 janoary, niteraka fahapotehana nampitsahatra ny milina telo. Nambara moa, fa any amin’ny volana jona 2022 no ho vita ny asa fampitomboana ny famokarana ao Andekaleka io izay nolazaina fa eo amin’ny 30%n’ny asa no vita amin’izao fotoana izao. Ny Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola no mitondra ny vola hoenti-manatanteraka ny tetikasa ary ny orinasa Sinohydro Corporation Limited kosa no manatanteraka azy. Fanatanterahana ny asa fotsiny no ataon’io orinasa io sa efa fironanana tsikelikely amin’ny fanomezana ny famokarana ao Andekaleka ho an’ny tsy miankina ? Mikasika ny asa fanarenana ny fahasimbana niainga tamin’ny fahamaizana ny ny 02 janoary kosa dia voalaza fa eo amin’ny 50% ny fahavitan’ny asa amin’izao fotoana izao. Mbola mila telo andro eo ny fanamainana ny toby izay dibo-drano, arahin’ny asa fanamarinana ireo tariby mialohan’ny fandrohizana azy amin’ny milina misy. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Jirama Atoa Rivo Radanielina fa vola madiodion’ny Jirama no hamatsiana ny fanaovazana. Nambara fa hiverina amin’ny laoniny 90MW ny famokarana faharafahatarany amin’ny volana jona. Tena mila enim-bolana eo ho eo ve izany ny fanarenana? Nidina tany an-toerana moa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly, nandeha lamasinina niainga avy tao Moramanga, ary efa nisy ny serasera nialohan’izay fa dia hoe: izy no Filoha niazo an’Andekaleka 40 taona aty aoriana. Dia inona izany no tena vokatra entin’ny fidinany any sa dia mba mila maneho an-tsary fotsiny hoe: io ny Filoha fa tonga mijery ny zava-misy ao Andekaleka ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap