airtel

Actualités

02-nov-2021

Actualités

Famonjena ny tontolo iainana Miantso ny rehetra hanamando ny tany ny Tandroharena

Sample post image

Ao anatin’ny fiarovana sy fanomezan-kasina ny vakoka sy lova ary harem-pirenena sy izao tontolo izao hatrany dia isan’ny iantsorohan’ny fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka sy mpikaroka momba

02-nov-2021

 izany na ny Tandroharena koa ny fiarovana ny tontolo iainana, hoy ny fanazavan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ity fikambanana ity. Harena voajanahary noharian’ny mpahary hiarovana ny ain’ireo mponina eto amin’izao tontolo izao mihitsy io ka raha sanatria potika dia miara-potika aminy eto isika mianakavy, hoy ny Tandroharena. Ho famonjena izay tontolo iainana izay, noho izany, dia manentana sy miantso ny mpiray tanindrazana rehetra sy izay afaka mandray ny fanentanana ataon’izy ireo ity fikambanana ity mba hanao hetsika hanamando isan’andro ny tany. Fihetsika tsotra toy ny fanondratondrahana rano ny tokontany miampy fanondrahana rano zaridaina isan’andro, araka izay azo atao isan’andro dia efa mba mety hisintona ny orana hilatsaka indray ka hahafahana misoroka ny sanatria haintany tsy ho zaka eto Madagasikara sy eto amin’ity izao tontolo izao ity. Isany ihany koa, mazava ho azy, ny hetsika fambolena zavaboary mahasoa amin’ny endriny rehetra na dia eo an-tokontany fotsiny aza, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap
17-avril-2024

Tovovavy kely iray vao 16 taona monja niasa an-tranon’olona avy any ambanivohitra no fantatra

Card image cap
17-avril-2024

Ady vehivavy no namonoana olona tamin'ny fomba mahatsiravina tao Marovotsy Tsiareky Ambovombe ny alin'ny 14 Aprily 2024 tamin'ny 8 Ora Alina.

Card image cap
17-avril-2024

Hanampy tosika ara-bola amin’ny fiveloman’ny mpikambana ny biraon’ny Zanak’i Mahabako

Card image cap
17-avril-2024

Voararan’ny lalana ny mitazona zaza tsy ampy taona ao an-tokantrano ka zanak’olona na

Card image cap