airtel

Actualités

18-juil-2022

Actualités

Fampanantenana no betsaka Mbola lavitr’ezaka ny vahaolan’ny delestazy

Sample post image

Enim-bolana mahery izay no nilazan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny 10 janoary 2022 tany Andekaleka, fa mila manam-paharetana ny vahoaka, afaka 6 hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy.

18-juil-2022

Mbola rakotra delestazy ny firenena, ary vao mainka aza loza ny hamafiny. Tsy hita izay tena olana nivaha tao anatin’izay enim-bolana izay fa fampanatenana lava, fitanisana olana, fitadiavana izay hanilihana ny rihitra, ary mbola misy fampalazana tena aza no hita. Avy ny orana lazaina fa simba ny “turbine” noho ny habetsaky ny rano, lohantaona lazaina fa tsy ampy ny famokarana satria tsy ampy ny rano, ririnina lazaina nahozongozon’ny rivotra ny tariby ka mikorontana ny famatsiana,… Isan’ny miharihary anefa ny tsy fahaiza-mitantana, tsy nomen’ny olona solika noho ny trosabe an’arivony miliara Ar tsy voaloa. Ny tapaky ny volana jona tany Ambovombe taorian’ilay izy tratry ny delestazy tetsy amin’ny CCI Ivato, nilaza fa handray andraikitra ny Filoha rehefa tsy handray ny Filoha rehefa tsy handray ny andraikiny ny minisitry ny Angovo sy ny Tale Jeneralin’ny Jirama. Iny indray tany Mandoto ny 15 jolay teo, nilazana fa ny 15% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra kanefa tsizarizary, ka manomboka izao dia ny 89% indray no hojerena satria mankarary fo ny Jirama, ka ny vahoaka indray no homena “subvention”. Tsy voafehy ny resaka antontan’isa teo satria raha 85% no tokony hotenenina dia lasa 89% tahaka ilay hoe: 13+6=18 ihany saingy tsy atao mahagaga intsony moa ireny karazana teniteny foana ireny. Tsy maintsy hahazo jiro ny 50% amin’ny Malagasy, hoy ny fampanantenana. Ny eo tsy voavaha, ny fampanatenana mitosaka ihany. Tetsy ankilany, nahiliky ny Jirama any amin’ny mpanjifa avy eo ny rihitry ny tsy fahombiazana fa ny 30% tsy mahaloa faktiora sy mangalatra herinaratra, izay mahatratra 310 miliara Ar raha hatambatra. Ny Fanjakana etsy andaniny mahatratra 375 miliara Ar ny voalaza fa faktiora tsy voaloa, izany hoe: mety mihoatra na mifanahantsahana amin’ny fanampiana na “subvention” isan-taona fanome ny Jirama satria tamin’ity vao nakarina ho 500 miliara Ar. Midika izany, fa tsy misy tombony ho an’ny vahoaka velively ny “subvention” raha raisina amin’izany satria toa mifanahantsahana amin’ny trosa tsy aloan’ny Fanjakana ihany. Tsiahivina hatrany aty am-parany fa nampanantena 400MW i Andry Rajoelina tamin’ny propagandy. Nohambaniany ireo nitondra tao anatin’ny 60 taona fa 400MW ny fitambaran’ny vitan’ireo. Aiza izany izao fa toa tsy hita? Ny zavatra mandeha amin’izao mbola ny an’ny tsy miankina no hireharehana!
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap