ny Minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra na ny MNDPT, eo anatrehan’ny raharaha saran’ny fifandraisan-davitra eto amintsika. Nivoitra fa tsy mbola azo atao ny manasazy noho ny tsy fisian'ny lalàna mamaritra izany. Nambara fa mandeha ny fifampiresahana eo amin’ny MNDPT, ARTEC (Autorité de Régulation des Technologies de Communication, ary ireo mpandraharana. Nolazaina anefa fa hirosoana ny fanasaziana rehefa tsy misy ny fiovana. Toa misy endrika mivoaka miditra ihany anefa ny serasera satria nolazaina fa tsy mbola misy lalàna mamaritra ny sazy. « Efa nanao taratasy amin’ny « opérateurs ». Farafaharatsiny miverina amin’ireo tolotra nisy teo aloha. Rehefa tsy tanteraka izay, dia fantatrareo tsara hoe : izay ny asan’ny fandrindrana (régulation), fa rehefa tsy tanteraka dia hiroso amin’ny fanasaziana. », hoy Atoa Rasoanaivo Andry Sekretera Jeneralin’ny MNDPT. Tokony ho ao anatin’ny fifampiresahana sy marimaritra iraisana foana anefa, raha ny nambarany. Raha hiverenana, ny Fanjakana no fositra voalohany nahatonga ny fampiakarana ny saran’ny « internet » teto amintsika. Tao anatin’ny didim-panjakana 2023-397 tamin’ny 12 aprily 2023 no nametra ny saran’ny internet ho 0,95 dolara ny 1Go, izay nilazana tamin’izany, fa nisy fifampiraharahana ny aprily 2023 ho famerana amin’ny antoniny ny vidiny tahaka ny hita any amin’ny firenena Afrikanina, ao anatin’ny fitsinjovana mpanjifa, hampiroboroboana ny toekarena nomerika, fivelarana amin’ny internet fa tsy mijanona amin’ny tambajotra sosialy ihany, fanafainganana ny fampiasana tolotra ara-bola, tolotra nomerika amin’ny raharaham-panjakana,… Nihatra nanomboka ny 01 aprily ny fiakarana, saingy nampiharin’ireo "opérateurs téléphoniques" nanomboka ny 28 martsa raha tsiahivina no niova ny sarany sy ny tolotra nataon'ireo, ka nanafoana ny tolotra ho an'ny tambajotra sosialy navadika ho internet feno, izay nampikolay ny rehetra. Ny volana mey teo, nofoanana indray ilay famerana ny saran’ny Internet ! Saran’ny internet zakan’ny vahoaka ihany no atao, hoy ny Minisitra Tahina Razafindramalo araka ny tatitra tamin’ny haino aman-jerim-panjakana 05 mey 2024. Nandeha avy eo ny fandrangarangana sazy ho an’izay « opérateurs » tsy mampidina na tsy mamerina ny tolotra. Volana vitsivitsy aty aoriana, tsy misy vokany ny resaka nataon’ny mpitondra, mora ny nanapa-kevitra nivoaka niditra tamin’ny famerana sy fanalalahana ny saran’ny internet, fa sarotra ny mampamerina izany amin’ny sarany teo aloha. Fifampiresahana no nampiakarana azy saingy tsy vitan’ny fifampiresahana ny fampidinana? Malemy eo anatrehan’ireo hery ara-toekarena mifehy ny tontolon’ny fifandraisan-davitra ny mpitondra Fanjakana ankehitriny, ka manaraka am-bokony sy toa izy ireo indray aza no miaro ankolaka fa tsy misy lalàna ahafahana manasazy ? Dia andrasana indray izany ny vokatra taorian’io filazana fanindroany io fa hanasazy rehefa tsy misy vokatra !
Toky R
Nanentana manokana ny tanora izay maro an’isa eto amin’ny Firenena sy antoky ny ho avy mba tsy ho kivy ary
Nosembanin-drahona indray ny tontolon’ny fizahantany ! Nofoanana ny fiantsonan’ny sambo goavana na paquebot
Fantatra tsara ny fahorian’ny mponin’Andravoahangy syny manodidina noho ny rano be isaky ny avy ora.
Maro ireo mpanara-baovao no tsy nanampo fa mbola hisy rotsak’orana ihany teto Antananarivo renivohitra ny 3 desambra teo.
Hita tao anaty rano teny Namontana afak’omaly Talata 03 Desambra toerana nahaverezany ihany ny vatana
Ankizy miisa 200 no indray notolorana kopia mari-pahaterahana omaly Alarobia 04 Desambra tao amin’ny Kaominina