airtel

Actualités

27-août-2021

Actualités

FAMPIJALIANA ZAZA Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay rangahy

Sample post image

Ankizy roa indray no nampijalian-dRainy ka nanaitra ny fiarahamonina. Nihidy moa ny trano nisy azy ireo ka voatery nosokafana izany.

27-août-2021

 Gaga ireo olona nahita ireo zaza samy mifatotra. Ilay zazalahy kely nifatotra ny tanana sy ny tongony fa ilay zazavavy kely kosa dia sady nafatotra ny tanany sy ny tongony no mihantona tsy nipetraka tamin'ny tany ny tenany. Taorian'izay moa dia tonga ilay Raim-pianakaviana nampijaly ireto zaza ireto ka saika niharan'ny fitsaram-bahoaka raha tsy teo ny sefo fokontany ary tonga ihany koa ny Polisy nisambotra avy hatrany ity lehilahy ity. Fantatra tao anatin'ny fanadihadiana fa zana-badiny ireto zaza nampijaliany ireto ary lasa niasa ny renin'ilay zaza ka izy ireo irery sisa no tao an-trano. Nambarany fa noho ny ditra nataon'ireto ankizy no antony nanaovany izany ary fanaony ny manafay azy ireo toy izao. 09 taona ilay zazalahy ary 6taona kosa ilay zazavavy kely.
Pati

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap