Ny 23 hatramin’ny 25 janoary izao no ho tontosaina voalohany eny amin’ny Centre de Gaïa Androhibe ny fampirantiana lehibe voalohany momba ny fanatsaràna fiainana na «Salon du bien être», raha ny fampahafantarana natao teny an-toerana ny sabotsy teo. Andiany voalohany eto Madagasikara mihitsy izy ity, hoy ny fanazavàna, satria nisy fifaninanana izay tokony tsy hisy hatramin’izay teo amin’ireo heverina hoe mpitsabo na «thérapeute» mifandraika amin’izay tontolo izay. Raha nijanona hatreo amin’ny fikoloana vatana sy endrika amam-bika ihany koa no niheveran’ny maro an’isa izany atao hoe «bien être» izany hatramin’izay dia amin’ireo fotoana ireo izany no ahitàna fa mivelatra kokoa ny sehatra mikasika izany tahaka ny hoe ahoana no ahafahana mampitombo hery, matoky tena, mahazo aina? Misy ny atrikasa tarihin’ireo mpitsabo ary ahafahan’ny rehetra miady hevitra mikasika izay manitikitika azy ireo ao anatin’izany. Tsikaritra ho tsy ampy eo amin’ny mpiara-monina sy mpiara-belona tsinona ny fifampiresahana fa zatra miafiafy eny foana dia io izany fotoana iray ahafahana manararaotra mifanakalo izay manitikitika rehetra. Ho porofoina amin’io ihany koa fa diso ny fiheverana hoe natokana ho an’ireo elita na manan-katao ihany ny fitaizam-batana tahaka itony fa natao ho an’ny rehetra. Tanjona fototra izany dia ny ahitàn’ny olona hoe hay kay izao daholo no karazana zavatra azo hanatsaràna fiainana. Mety misy karazana fitsaboana lafobe any amin’ny Dokotera na lafobe ny vidim-panafody nefa kay misy fomba be dia be ahafahana mitaiza vatana sy manatsara ny fahasalamàna, hoy hatrany ny fanazavàna.
J. Mirija