airtel

Actualités

11-janv-2021

Actualités

Fampodiana ny nofo mangatsiakan’i Goly be Mangingina ny fitondram-panjakana

Sample post image

Nifarana ny sabotsy teo tetsy Analakely ny fanangonana ireo tolo-tanana avy

11-janv-2021

 

 

 

amin’ny mpitia kitra Malagasy ho fampodiana ny nofo mangatsiakan’ny mpiandry tsatoby an’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra fahiny, Ferdinand Rafalimanana na Goly be. Ny 29 desambra moa no namoy ny ainy teo amin’ny faha 67 taonany tany Frantsa vokatry ny aretina nahazo azy ity andrarezina ity ary nanafatra fony fahavelony ny mba hitondrana ny vata-mangatsiakany any Mandritsara, faritr’ Sofia, rehefa modimandry. Nangataka tolo-tanana tamin’ny fitondram-panjakana sy ireo malala-tanana rehetra noho izany ny vadiny sy ny zanany vavy izay namelany hafatra sy mbola miandry ny razana any amin’ny fonenany any Bordeaux ka nahatonga ny fikambanan’ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena teo aloha nikarakara iny hetsika tolo-tanana iny. Misy amin’ireo mpankafy baolina kitra Malagasy no velom-panontaniana hoe tsy isan’ireo andrarezina tokony nisitraka ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ve izany Goly be izany ? Fara fahakeliny, tsy tokony mba ho ny fitondram-panjakana manontolo ve no hiantoka ny fampodiana ny razana? Ny zava-misy hatreto anefa dia hita ho mangingina ny fitondram-panjakana.

J. Mirija

Legende: Na ny zandrikely nilalao baolina tamin’ny 10 taona lasa aza faly ery rehefa nantsoina hoe Goly be.

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap