airtel

Actualités

13-juin-2022

Actualités

Fampodiana ny vata mangatsiakan’i Sabrinah 12.600.000 Ar no ilaina miala any Koweit

Sample post image

Mitady fanampiana amin’ny fampodiana an-tanindrazana ny vatana mangatsiakan’Itompokovavy Fanja Sabrina, izay avy any avaratry ny Nosy,

13-juin-2022

nila ravinahitra tany Koweit ka namoy ny ainy ny fikambanan'ny malagasy miray hina ao koweit na ny FMMK tarihin’ny filohany Rabevason Hantahariniaina Prisca. Vola mitentina 12.600.000 Ar eo ho eo no ilaina amin’izany izay tsy arak’ireo fianakaviany mihitsy koa hanaovany antso avo amintsika mpiray tanindrazana. Raha tsiahivika kely ny tantara dia narary Ratompokovavy. Voatery naiditra hopitaly izy noho izany saingy andro vitsy monja taorian’izay dia nafoiny ny ainy. Ho an’ireo vehivavy Malagasy miasa any Koweit moa dia tsiahivina hatrany fa fijaliana no hiainan’izy ireo any an-toerana raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo tafaverina velona teto an-tanindrazana. Na ny tsy fifankazahoan’ny resaka hifanaovana amin’ny mpampiasa fotsiny aza mantsy dia mety hamonoan’iretsy voalohany ilay mpiasa. Toraka izany ihany koa ny tsy fanekena ny filan-dratsin’ireo mpampiasa lehilahy izay tena mankafy vehivavy Malagasy ny ankamaroany…arahin’ny tsy fandraisana karama sy ny tsy fatoriana raha tsy tapitra matory avokoa ny mpampiasa ao an-trano isan-kalina.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap