airtel

Actualités

18-mai-2022

Actualités

Fanadihadian'ny depiote ny trafikam-bolamena Mba ho lasa lavitra sa ho resabe fotsiny indray ?

Sample post image

Nankatoavin'ireo solombavambahoaka omaly 17 may 2022 ny fandaharam-potoana ny 12 mey hatramin'ny 01 jona 2022 ho avy izao.

18-mai-2022

Isan'ireo hodinihina ny tolo-pehi-kevitra laharana 001-2021/PR«portant création d'une Commission d'enquête parlementaire sur le trafic d'or à Madagascar » natolotry ny solombavambahoaka Mohamad Ahmad, Filohan'ny komisionina momba ny harena an-kibon'ny tany. Ho lasa lavitra ve ity fikasana hanao fanadihadiana parlemantera ity sa ho kisehoseho ivelany sy hafana am-boalohany tahaka ny fanadihadiana momba ireo orinasan-pifandraisan-davitra? Henjana ny raharaha trafikana volamena, izay toa nanjavona ny ankamaroany, toy ny 73,5kg tratra tany Afrika Atsimo ny faran'ny taona 2020, ny 49kg tratra tany Kaomoro ny faran'ny taona 2021, ny 22kg tratra tany Seychelles,... Mba efa betsaka ihany izay olona ambony samihafa voatontonona amina trafikana volamena sy vatosoa ary misy Depiote mihitsy aza araka ny ampamoaka nataona Depiote mpanohitra, misy minisitra teo aloha sy am-perin'asa,... fa tsy mba voakitikitika. Raha hiverenana kely ny raharaha 73,5kg, nisy mpandraharaha amin'ny resaka fitaterana anabakabaka nitsoaka ankolaka an'i Madagasikara ary niverina mangingina rehefa nilalindamina ny resaka. Inona no nialana an'i Madagasikara raha tena madio? Satria mety namana akaiky sy mpiray latabatra amin'ny mpitondra ambony dia milamina fa ny mpiasa Malagasy madinika ihany no manefa any Antanimora sy Tsiafahy ? Nolazaina ny 06 janoary 2021 fa tsy maintsy hampodiana eto mialohan'ny 12 janoary 2021 ny volamena sy ireo telolahy nitratra tany Afrika Atsimo ka aiza ary izany izao? Ny 49 kg tratra tany Kaomoro, tena fanenjehana ve no nampodiana ireo roalahy tratra sa sanatria fanapenam-bava. Naneho ny minisitry ny fitsarana teo aloha fa an'arivony taoniny no nokasaina haondrana ary misy teratany Malagasy sy vahiny no atidoha saingy nangina niaraka tamin'ny fialany ny raharaha. Avo lenta ity raharaha trafikana volamena ity ka toa resaka ambony latabatra no betsaka hatreto.

Toky R


 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap