airtel

Actualités

30-juin-2021

Actualités

Fanadihadiana nampiady hevitra Nisafidy ny hangiana hatreto ny Minisitry ny serasera

Sample post image

Herinandro teo ho eo izay no niteraka adihevitra tsy nifankahitana teto Madagasikara ny famoahan’ilay mpanao gazetin’ny France 24 sy TV5 Monde Rtoa Gaëlle Borgia

30-juin-2021

 

 ny horonantsary fanadihadiana nataony naneho fa misy mihinana ireo sisan-koditra fanaovana kapa ny mponina ao Ambovombe Androy. Tsy levon’ny vavonin’ny Fanjakana, ka nampitenenina hanakiana sy handiso ary hanenjika ny Governoran’Androy. Tsy vitan’izany, fa mbola nampiasaina ny fahitalavi-panjakana hamoaka vaovao mandiso izany. Nenjehina mafy ho nividy olona hanaratsy ny Fanjakana ity mpanao gazety ity. Nivoaka nanampy ireo namany ihany koa ny mpanao gazety eto an-toerana miasa amin’ny orinasan-tserasera sy fanaovan-gazety iraisam-pirenena. Niditra an-tsehatra ny Tale mpisolo toerana vonjimaika eo anivon’ny TVM nilaza an-taratasy lava dia lava fa tsy amin’ny maha mpanao gazety iraisam-pirenena an- Rtoa Gaëlle Borgia no maha marina ny vaovao navoakany. Ny somary mahagaga kosa dia ny fahanginan’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Andriatongarivo, izay azo lazaina ho manana kasikety roa ao anatin’io raharaha io. Voalohany ny maha mpiahy voalohany ny mpanao gazety sy ny asa fanaovan-gazety azy, izay afaka nanao famerenan-doha na “rappel à l’ordre” raha tena nisy tokoa ny lesoka goavana teo amin’ny zavatra nambaran’io mpanao gazety io. Azon’ny Fanjakana natao ihany koa ny nitory. Tsy hoe : olona tonga lafatra rahateo ny mpanao gazety, fa mba mety misy ny zavatra tsy ampoizina mety hahasolafaka, ary azo ahitsy, azo ampiharana ny lalàna raha ilaina,… Kasikety faharoa ny maha mpitondra tenin’ny governemanta, afaka nitondra fanazavana ofisialy sy ny fepetra raisin’ny Fanjakana eo anatrehan’ny toe-javatra izay mivadika ho lasa raharaham-pirenena sy iraisam-pirenena. Fetsy ny minisitry ny serasera rah any fahitan’ny mpanara-baovao azy ka naleony mangiana aloha manoloana ilay raharaha Gaëlle Borgia. Toa omeny ny mody mitapy araka ilay fomba fiteny, fa ny hafa tsy ampy fandinihana no mijabaka. Mpanao gazety ny minisitra Lalatiana ary mahalala tsara ny lanja sy ny herin’izany asa fanaovan-gazety izany, indrindra fa mivelatra lasa raharaha iraisam-pirenena ilay toe-javatra.
Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap