airtel

Actualités

10-août-2022

Actualités

Fanalana ny Tale Jeneralin’ny APMF Hiditra amin’ny dingana ambony kokoa ny mpiasa

Sample post image

Mihamafy ny fitakian’ny SYPAMM (SYndicat du Personnel de l’Administration Maritime de Madagascar) mitaky ny fanesorana ny Tale Jeneralin’ny APMF (Agence Portuaire, Maritime et Fluviale) dia ny Capitaine de Vaisseau Jean Edmond Randrianantenain. T

10-août-2022

ondroin’izy ireo ho nanao kolikoly avo lenta tamin’ny sehatra maro. Manitrikitrika hatrany ireo mpiasa tamin’ny alalan’ny Filohan’ny SYPAMM Razafitsiala Velomanana fa mbola Tale Jeneralin’ny CFIM (CFIM (Centre de Fusion d’Information Maritimes) io Tale Jeneraly io, dia efa nisy fitantanana tsy nilamina. Izy no nisintona ny APMF ho any, efa tamin’izany no nanaovany “piratage” ny APMF, hoy ny sendika. “Misy loza mitatao, misy tetikasa momba ny antoka ho an’ny sambo eny an-dRanomasina, misy resaka hafahafa momba ny “balise” na fitaovana natao hanaraha-maso ny misy ny sambo, voalaza fa fanomezana kanefa misy sarany 25 tapitrisa dolara no voalaza fa ampandoavina ny Fanjakana Malagasy”, hoy hatrany ny sendika. Lazaina, hoy izy ireo, fa fanomezana kanefa inona no nandrisika azy haka orinasa avy any ivelany hanao izany? Tahaka izany ihany koa ny fikasana hanangana fitantanana mahaleotena ny seranan-tsambo sasany, izay ambaran’ny mpiasa fa famonoana ny APMF. Mihamafy noho izany ny fitakiana ny fanesorana ny Tale Jeneralin’ny APMF. Milaza hanao fivoriam-be izay hiantsoana ny solontenan’ny mpiasa avy any amin’ny faritra ny SYPAMM, ka raha tsy misy ny fandraisana andraikitra, hiditra amin’ny dingana ambony kokoa ny mpiasan’ny APMF, hoy ny fanambarana.
Toky R 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap