airtel

Actualités

27-juin-2022

Actualités

Fanalefahan-tsazin’ny Filoha 2902 afaka hivoaka ny fonja avy hatrany

Sample post image

Hanome fanalefahan-tsazy faobe ny filoham-pirenena noho ny faha-62 taonan'ny fitsingerenan'ny niverenan'ny fahaleovantenan'i madagasikara,

27-juin-2022

hoy ny fampitam-baovaon’ny Fiadidian’ny Repoblika omaly 26 jona takariva. Nandray fanapahan-kevitra hanome fanalefahan-tsazy faobe ny Filohan'ny Repoblika araka ny didim-panjakana 2022-957. Miisa 16 165 ireo voafonja efa voatsara manefa ny saziny manerana an'i Madagasikara. 11 316 amin’izy ireo no hahazo fanalefahan-tsazy avy amin'ny Filoham-pirenena. 2902 ny isan’ireo voafonja ho afaka hivoaka avy hatrany noho ity fanapahan-kevitra noraisin'ny Filoham-pirenena ity. Tsy voakasiky ny fampiharana izany fanalefahan-tsazy faobe izany kosa anefa ireo olona voaheloka amina sazy tsy ahazoana fahalalahana toy ny vono olona sy ny vono olona nomanina, ireo heloka mamoafady, ny fanodikodinam-bolam-panjakàna, ireo heloka rehetra voalaza ary sazian'ny lalàna famaizana mifandraika amin'ny raharaha andramena sy ny hazo mainty, ary ireo heloka momba ny famotsiam-bola. Tsy voakasik'izany ihany koa ireo olona voatazona vonjimaika any am-ponja sy ireo voafonja na voasazy izay nanao fampakarana. Ny fanalefahan-tsazy dia fahefana an'ny Filohan'ny Repoblika manokana araka ny voasoratra ao amin'ny Lalàmpanorenana ary ampihariny amin'ny fotoanan'ny fety toy fankalazana ny fetim-pirenena. Ity fanalefahan-tsazy faobe ity dia tafiditra ao anatin'ny politikan'ny Fanjakana Malagasy amin'ny fiarovana ny Zon'olombelona sy fanenana ny isan'ireo voafonja mba hifanaraka amin'ny fetrisa afaka raisina amin'ireo fonja manerana ny Nosy, hoy ny fanamafisana tao anatin’ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Trano manodidina ny 5 isa, ahitana fianakaviana 20 samihafa no fantatra fa misy

Card image cap
15-avril-2024

Nanontany ahy ny fiadidiana ny fananan-tany na «domaine» hoe ahoana ny mahakasika ilay

Card image cap
12-avril-2024

Tsaboina ao amin'ny CHRR Maintirano ny zazavavy kely iray niharan'ny fanolanana,

Card image cap
12-avril-2024

Tsy matoky io fitondrana mpanao amboletra io izahay, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika.

Card image cap
12-avril-2024

Niakatra fitsarana omaly Alakamisy 11 Aprily raha ny loharanom-baovao azo ilay raharaha

Card image cap