airtel

Actualités

03-nov-2021

Actualités

Fanamboaran-dàlana tao amin’ny ACMIL Mbola tsy naloan’ny Fanjakana ny 700 tapitrisa Ar

Sample post image

“Raha ny tena marina dia betsaka no tsy voaloa vola eto, tsy tany amin’ny fanamboaran-dàlana vatsian’ny FR (Fonds Routier) ihany fa ny vatsian’ny Minisitera sy ny Fanjakana foibe aza”,

03-nov-2021

hoy Atoa Andrianarisoa Ratovondrahona Tale Jeneralin’ny orinasa Mimosa BTP misehatra amin’ny fanaovana asa vaventy sy fotodrafitrasa. Isan’ireo orinasa mbola tsy nahazo ny valin-kasasarany ny azy ireo. Nanamboatra ny làlana tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe (ACMIL) io orinasa io, ka mahatratra 700 tapitrisa Ar latsaka 35 000 Ar ny vola tsy voaray. Tokony ho ao anatin’ny fitohizan-draharaham-panjakana ny fanefana azy satria asa efa tamin’ny 2018 nampanaovina tamin’ny andron’ny Filoha Rajaonarimampianina. Fantatry ny Minisitry ny vola nifandimby io, fantatry ny minisitra nifandimby tao amin’ny Minisiteran’ny asa vaventy, fantatry ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, hoy izy. Misy “attestation de réalisation” izay nomen’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola teo aloha sy ny amin’izao, ary mazava hatrany amin’ny “Commission Nationale de Marché”, ka hatrany amin’ny “Passation de marché”, hatrany amin’ny “Contrôle de dépénse engagée”, hoy Atoa Andrianarisoa Ratovondrahona. Hatramin’izao tsy voaloa, kanefa efa notokanana ny asa. Misy hatramin’ny “attestation de non payement” nataon’ny Minisiteran’ny asa vaventy ananana ato daholo, kanefa dia tsy mbola misy voaloa na irambilanja aza, hoy izy. Ny famoahana ny andiany mpianatra manamboninahitra faha-39 tao amin’ny ACMIL no nanenjehana io “goudron” io, fony Rajaonarimampianina no filoha. Ny Filoha ankehitriny dia nanitsaka teo amin’io làlana nataonay io, namoaka ny mpianatra andiany faha-40-41-42. Mbola tsisy olana ny làlana nataonay, kanefa dia tsy aloa na “1 franc” aza. Tsy hainay hoe ny vola ve no tsy misy amin’izao, fa ny tsy nahaloavana azy tamin’ny 2018 dia ny “credit” mihitsy no lany tamin’izany. Mangataka izahay, tsy tokony ho ireny fiteny ireny no hatao amin’ny olona tsy voaloa vola, mba niasa, nahavita asa ho an’ny firenena izahay, kanefa na “1 franc” aza tsy mbola azonay, hoy ny Tale Jeneralin’ny Mimosa BTP.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap