hamonosana ny karatra vaovaony ihany koa rehefa vita. Araka ny fanazavan’ny lasibatr’izany iray tetsy amin’ny fiadidiana ny boriboritany fahatelo etsy Antaninandro dia efa nasaina nidina tany amin’ny tanindrazany izay nanaovany ny karatrany fony izy 18 taona izy izao tafaverina eto amin’ny fiadidiana ny toeram-ponenany ankehitriny izao. Nomena ny tomponandraikitra ny taratasy ilaina rehetra saingy mbola tsy vita teo noho eo fa mbola miandry amin’ny herinandro indray vao vita hono ilay karapanondro vaovao, hoy izy. Fanampin’izay dia hoe lany ny plastika famonosana izany karapanondro vaovao na “duplicata” izany ka dia mila mividy izany any amin’izay ahitany azy ilay olompirenena ary mila mitondra penina ihany koa rehefa miverina haka ilay karatra. Nankaiza izany ny hetra nalohan’ireo olompirenena? Nankaiza ireo vola nampidirina tao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana no hatramina zavatra bitika toy izany avy no hanahiranana ny fiainan’olompirenena? Aiza ny fanamoran’ny mpitondra ny fiainam-bahoaka?
J. Mirija
Tsy hita intsony izay marina sy diso mikasika ilay raharaha fahaverezan-tsolika 64 000 litatra teo anivon’ny Jirama. Andaniny,
Mandrava sy maka ny tanin’ny vahoaka madinika ao Nosy be Hell ville ny karana sy vahiny ary mpanam-bola,
Efa tany amin’ny 6 taona lasa no nametrahana io “coffre” io, tany amin’ny taona 2016 tany ho any no efa very ireo volamena 36,433 kg ary tsy fantatra mazava hoe:
Nahatrarana trafikana volamena indray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly 28 jona 2022 hariva. Teratany Sri lankais iray,