airtel

Actualités

01-févr-2021

Actualités

Fananan-tany Hapetraka ny fehezan-dalàna mifehy ny tanim-pokonolona

Sample post image

Mametraka olana manerana an'i Madagasikara ity resaka tany ity. Midadasika ny

01-févr-2021

 

 

 

 

tany fa ny tany indrindra no ahitana karazana olana samihafa ka mampikatso toekarena indrindra ny fiveloman` ny tantsaha any ambanivohitra. Tsy mbola misy fanavaozana ny lalàna momba ny fananan-tany fa ny tamin` ny andron` ny fanjanahan-tany ny mbola ampiharina amin`izao fotoana izao. Tsy mahagaga raha tsy ampy ny vokatra ny fambolena eto an-toerana satria tsy manana antoka ny tany novolena hatramin`ny taona maro ny 80% amin`ny mpamboly. Tranga mateti-piseho moa ny fipoitran` izay milaza ho tompon-tany, haka indray iny tany amin’ny tantsaha malagasy teraka sy monina ary mivelona amin`izany. Manoloana izany, nisy ny fivoriana mahakasika ny fanohizana ny paik’ady fametrahana ny fehezan-dalàna momba ny zo fisitrahana ny tanim-pokonolona ary, natrehin’ireo komity teknika voatondro ho amin’izany, ny herinandro lasa teo tao amin` ny Foiben’ny Tahirim- bola Nasionaly ho an’ny Fananan-tany (Fonds National Foncier). Ny tanjona tamin’ny fivoriana dia ny ahafahana mametraka ny fehezan-dalàna mifehy ny tanim-pokonolona.

Marigny A

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap
22-avril-2024

Efa miditra tsikelikely mankany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika izao raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija.

Card image cap
19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap