airtel

Actualités

24-août-2022

Actualités

Fanaovana Taratasim-bola tsy misy antoka Karohana fatratra i Retovone Mirna Donnetine

Sample post image

Vehivavy iray no nanjavona tanteraka rehefa naka entan'olona ary nomeny taratasim-bola tsy misy anto-bola ilay tompon'entana.

24-août-2022

Nahatsiaro tena ho voasoloky sy very vola an-tapitrisany maro ilay olona noho izany ka nanosika azy ireo hampandre ny mpitandro ny filaminana. Ireto farany indray avy eo no namoaka didy fikarohana. Retovone Mirna Donnetine no anaran’io vehivavy io, 34 taoan izy ary agent de recouvrement no asany. Tao amin’ny Lot I 173 Ambohijanaka Lohanosy no nahitana azy farany. Miangavy izay mahita na mahalala azy araka izany ny Polisy mba hampandre ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahadimy. Ny Polisim-pirenena moa dia manome toky fa tanana ho tsiambarantelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Ampahafantarina ny rehetra kosa fa izay mampiantrano na mitahiry na manafina olon-dratsy dia naman’ny mpiray tsikombakomba aminy ka tsy maintsy hohenjehina araka ny lalàna.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay vehivavy karohina
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap