airtel

Actualités

11-juin-2021

Actualités

Fanaparam-pahefana teny Ankazotokana Nandona fiaran’olona avy eo nitsoaka ilay V8

Sample post image

Fiara tsy mataho-dàlana 4x4 V8 iray no nandona ny fiaran’olona omaly teny Ankazotokana.

11-juin-2021

 

 

 Voadonin'ilay fiara tena in-telo mihitsy ilay iray nisy ireo lasibatra, raha ny fanazavana. Tsy nisy fialan-tsiny na kely monja aza fa nanao be loha fotsiny ilay mpamily, izay nisy nahazo horonan-tsary na izy na ny fiara miaraka ny laharana, ka nanao fanamiana miaramila ny tao anatiny, nisy sary famantarana ny Minisiteran’ny Fiompiana sy ny fambolena ary ny jono (MAEP) sy mariky ny “FIDA” ny vatan’io fiara io, saingy tsy takelaka mena. Voarakitra tao anatin’ny horonan-tsary ny feo milaza fa nanao “sens unique” io fiara nandona io. Miziriziry, tsy miteny tsy mivolana, tsy niala tsiny kosa ilay mpamily nanao fanamiana miaramila.. Mpianakavy kosa no tao anatin’ilay fiara nodonina ary ankizy no taoriana. Taitra sy natahotra ireo ankizy. Nitsoaka nanao “délit de fuite” avy eo, raha ny fanazavana ilay 4x4 V8 miloko fotsy nahavanon-doza. Maro be ny vavolombelona nahita maso. Karazana hetraketraka sy fampihorohoroana ilay fianankaviana ve sa fandonana noho ny tsy fahafehezana ny familiana? Mahagaga ihany koa ilay fiziriziriana sy toa fanaovana tsinontsinona. Satria ve manam-basy sy manam-pahefana dia manararaotra sy afaka ny hihetraketraka na hanao tsindry bokotra amin’ny hafa? Azo ifampiresahana sy ifandaminana ny zava-drehetra, saingy mahagaga ny fiziriziriana fotsiny sy fanaovana be loha eo anatrehan’ny mety ho efa fahadisoana, ary mbola miaro fitsoahana avy eo. Tsy natao hanamelohana avy hatrany satria ny mpitandro ny filaminana no afaka manamarina ny zava-miseho tahaka izany, ary ny fitsarana no tompon’ny fanapahan-kevitra raha tonga any amin’izany ny raharaha, fa mba tsy mety kosa ny tonga dia fandrangarangana ny mety fahefana ananana. Handray andraikitra momba ny olona sokajiana vonjimaika ho nanao hadisoana ve ny Minisitera sy ny sampan-draharaha voatonona etsy ambony izay mety hahafantatra avy hatrany hoe: ny fiara nentin-dRakoto na Rabe izany no namoa-doza, raha vao mivoaka ny tondro hoe: nanao fanamiana miaramila ny mpamily? Hisy ve ny fanokafana fanadihadiana sy sazy ara-miaramila raha tena miaramila marina ilay mpamily ?

 Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap