airtel

Actualités

03-juin-2022

Actualités

Fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy Miha mahazo vahana eto Madagasikara

Sample post image

Nanaovana ady hevitra lehibe tetsy amin’ny Le pavé Antaninarenina omaly ny mikasika ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mihamahazo vahana ity tranga mampalahelo ity eto amintsika

03-juin-2022

izay tsy mijanona eo amin’ny fihetsika ivelany ihany fa tonga hatrany amin’ny fitrandrahana ireny ankizy ireny any anaty tambazotran-tserasera mihitsy. Anisan’ny miady mafy amin’izany ny Ecpat France Madagascar izay nikarakara ity ady hevitra ity omaly, notronin’ireo mpiara-miombon’antoka maro isan-tsokajiny. Anisan’ny novohaboasana nandritra izany ny fitadiavana paikady hahafahana mamongotra tanteraka ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy. Hevitra nivoaka araka izany ny tokony hampiroboroboana ny mahalahy sy ny mahavavy ho fanajana ny zon’ny ankizy, ireto farany izay ho avin’ny firenena. Nambaran’ny dokotera Annick Randriamaro izay talen’ny Ecpat France Madagascar , nitarika ity dinika an-databatra boribory ity fa betsaka ny ezaka efa natao raha ho azy ireo manokana. Anisan’ireny ny fandravana ireo sakana ara-pomban-drazana izay manao tsinontsinona ny vehivavy, ny fampitana haingana ny vaovao mba hahazoan’ny rehetra fahalalana, ny falana ireo karazana hevi-draikitra mikasika ny fahitana ny vehivavy toy ny hoe : fanaka malemy… Toerana miisa 5 moa no niasan’ny Ecpat izay marihina fa nametrahany Club d’enfant , namboleny fiaraha-miasa tamin’ny sekoly…. ihany koa hahafahan’izy ireny manohy hatrany ny asa nosahanin’ny Ecpat. Loha-hevitra noraisina tamin’ity hetsika ity moa ny hoe : “Hofoanako ny herisetra, mba handrosoana!”.
Pati
Legende : Ny dokotera Annick Randriamaro, talen’ny Ecpat France Madagascar niresaka tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap