airtel

Actualités

20-juil-2022

Actualités

Fanarenana ny tontolo iainana any atsimo Vita sonia ny famatsiam-bola mitentina 25 tapitrisa dolara

Sample post image

Notontosaina ny 18 jolay 2022 teo ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy sy ny tetikasa Mionjo hanarenana ny tontolo iainana any amin’ny faritra atsimon’ny nosy

20-juil-2022

niarahana tamin’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana Lovainjafy, Vina Marie-Orléa, sy ny solontena maharitry ny banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, Marie-Chantal Uwanyiligira, ny solontenan’ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny mpandrina nasionalin’ny tetikasa Mionjo, raha ny fampitam-baovao voaray. Mitentina 25 tapitrisa dolara ity famatsiam-bola ity izay vatsian’ny banky iraisampirenena, hoy ny fanazavana. Hisehatra manokana amin’ny ady amin’ny haintany, ny ady amin’ny faharipahan’ny ala, ny fanatanterahana fambolen-kazo midadasika ary ny ady amin’ny «tiomena» ny tetikasa Mionjo ka isan’ny tanjona napetraka ny fanaovana « fixation de dunes » mirefy 3000 ha, fametrahana “brise-vent” mirefy 168 km, fametrahana tanin-janakazo afaka mamokatra zanakazo miisa 2.500.000 miaraka amin’ny fametrahana vovon-drano hanondrahana ireo zanakazo, fanatanterahana fambolen-kazo mirefy 1 500ha, fanohanana ny “cantonnement” MEDD. Miisa 1.400.000 ny mponina hisitraka mivantana ny tombotsoa azo avy amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity ary ankizy sy vehivavy no maro an’isa amin’izany. Faritra miisa 3 no voakasiky ny tetikasa dia ny Anôsy, Androy ary Atsimo Andrefana ary hisandrahaka amin’ny kaominina miisa 235. 4 taona no hiasan’ny tetikasa dingana voalohany na “phase 1”, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap