airtel

Actualités

26-août-2024

Fanatrarana mpizahatany 1 tapitrisa hatramin’ny 2028

Mila ampiana 11.500 ny efitrano fandraisam-bahiny

Sample post image

Tanjon’ny minisiteran’ny fizahantany eto Madagasikara ny hahatafiditra mpizahantany miisa 1 tapitrisa

26-août-2024

amin’ny taona 2028, hoy ny tale miandraikitra ny fampiofanana eo anivon’ny minisiteran’ny fizahantany sy asa tanana, Frank Rakotoson. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana izany tanjona izany, hoy izy, ny fanomezana fiofanana samihafa tontosaina fikambanana na sehatra hafa miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Miisa 11.500 eo no fanampina efitrano fandraisam-bahiny ilaina ahatongavana amin’izay tanjona izay. Antenaina, noho izany, fa ahita asa mifandraika amin’izany ireo izay nandalo fiofanana arak’asa mifanandrify amin’izany. Tsy maintsy misy ny fenitra sy lamina jerena mialoha ho an’ireo sehatra te hanome fiofanana mifandraika amin’izy ireny mialohan’ny hanomezana azy ireo fankatoavana hanatontosa ireny fampiofanana ireny. Ao anatin’izay fenitra sy fepetra takiana izay, ohatra, ny fotoana na «volume horaire» an’ilay fiofanana. Eo koa ny tondrozotra arahina amin’ilay fiofanana na «référentielle de formation». Ho an’ireo mpiofana ho lehilahy sy vehivavy mpikarakara efitrano fandraisam-bahiny na «Valée de chambre» sy «femme de chambre», ohatra, izao tena ilaina izay atao hoe «référentielle» izay. Ny minisiteran’ny fampananana asa no manome ny fankatoavana na «habilitation» mifandraika amin’iny. Na fiofanana ahazoana sertifika na mari-pahalalana, izany hoe «attestation» dia miainga amin’izay «référentielle» apetraka izay daholo. Ny mpampiofana koa tokony ho azo lazaina hoe ireo efa za-draharaha na avy amin’ireo sekoly ambony toy ny INTH sy ny tahaka izany dia manara-maso ny fampiofanana, noho izany, ny minisitera, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-nov-2025

Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340

Card image cap
14-nov-2025

Tafakatra 3 ireo mpiasan’ny Jirama

Card image cap
14-nov-2025

Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny

Card image cap
14-nov-2025

Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny

Card image cap