airtel

Actualités

06-oct-2021

Actualités

Fanavotana ny Air Madagascar Andrasana izay ho tapahan’ny filankevitry ny minisitra anio

Sample post image

Nivory nandritra ny adin’ny 3 teny amin’ny CCI Ivato ireo solontenan’ny mpiasan’ny Air madagasikara sy Tsaradia ary ny filankevim-pitantanan’ny Air Madagascar.

06-oct-2021

 Anisan’ny tazana teny Ramatoa Rinah Rakotomanga izay anisan’ny mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny kaompania Air Madagascar. Nisy ny solontena avy amin’ny Fanjakana Malagasy ihany koa. Fikaonan-doha nandinihana izay vahaolana hanarenana ny Air Madagascar io voalaza fa natao io. Mihevitra ireo mpiasa hoe azo atao tsara ny sady manohy miasa no mikaroka ny hevitra hanefa ny trosa baben’ity kaompania ity. Mahatoky noho izany ireo mpiasa fa ho tafiditra ao amin’ny fivorian’ny Filankevitry ny minisitra anio alarobia ny fandinihana ny fomba hanefana ny trosa baben’ny orinasa. Mbola baraingo tanteraka ny ho avin’ny Air Madagascar, ny sisin-tany hisokatra kanefa ny fiaramanidina afaka manao sidina lavitra aza tsy misy intsony, tapitra simba sy potika, ka fiaramanidina ATR iray na roa sisa velona. Ho an’ny Tsaradia dia vao ny zoma teo no nisy olana nahemotra ny sidina izay nifamohafaho tanteraka ny hoe: resaka karaman’ny mpanamory tsy voaloa sa noho ny fiaramanidina mbola nisy nilan’ny Fanjakana azy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap