airtel

Actualités

22-févr-2022

Actualités

Fandalovan’ny rivodoza Emnati Fokontany maro eto an-drenivohitra no tsy maintsy dibo-drano

Sample post image

Mampitainana ireo mponina izay mipetraka amin’ny toerana iva eto an-drenivohitra rehefa milatsaka ny orana indrindra amin’izao fandalovan’ny rivo-doza Emnatiny fiakaran’ny rano.

22-févr-2022

 Ireo lakan-drano sy ny arabe dia saika dibo-drano ary tafitra ao antrano mihitsy indrindra ireo manana trano eo amoron-dalana. Na efa miezaka manadio ny tatatra az ny fokonolona dia feno rano ihany. Ny kaominina izay efa manomboka tsy mahita ny fomba hanesorana ireo fako izay miteraka fahadoboana eny amin’ny fokontany amin’ny faritra iva eto Antananarivo. Amin’izao fandalovan’ny andro ratsy izao anefa dia efa azo antoka fa ho dobo indray ny faritra iva. Etsy ankilany ireo fako izay mitsikafona ambony rano izay fototra mampanjaka ny fahadoboana. Efa miomana amin’ny mety ho fikaran’ny rano ireo vahoaka amin’ny toerana misy ny rano mihandro izay efa lalina. Tonga hatrany foto-pehy ny rano rehefa tena latsaka mafy ny orana’. Olana izay tsy mbola nahitan’ny fanjakana sy ny kaominina vahaolana maharitra. Mampitaraina olona anefa izany. Ankoatra ny fiakaran’ny rano maloto ny fako izay hita anelakelan-trano dia hitarika ny fahadoboana , ny eny Andralanitra rahateo efa tsy mihoatra ny toeram-pako. Ireo tetezana izay handalovan’ireo renirano mamakivaky ny tanana dia efa hatahorana. Ny Bngc sy ny Apipa izay mampahafahantatra hatrany fiakaran’ny rano io. Raha jerena ireo voalaza dia sainy nihatra tamin’ny vahoaka eto an-drenivohitra tamin’ny fisian’ny andro ratsy nitondra rotsak’orana betsaka nahadobo toerana maro. Tsy mbola fantatra rahateo ny zavatra mety hiseho aorian’ny fandalovan’ilay andro Emnati eto Madagasikara androany talata 22 febroary raha ny vina ny sampana famantarana ny toetr’andro.
Tolin
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap