airtel

Actualités

22-janv-2021

Actualités

Fandefasana horonan-tsary mamoafady Samborina avy hatrany ireo mpandefa ‘’vidéo”

Sample post image

Ny 12 janoary 2021 teo no namoaka taratasy fampatsiahivana mikasika ny

22-janv-2021

 

 

 

 

fandefasana ireo horonantsary mamoafady ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolotsaina amin’ny alalan’ireo departemanta ao atainy, ary nampitaina tamin’ireo mpisehatra amin’ny fandefasana sarimihetsika, araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-346 sy 347 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana Malagasy sy ny andininy faha-50 ao amin’ny didim-panjakana if-2019-2210. Ny 20 Janoary 2021 dia nisy fitsirihana tampoka nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolotsaina tamin’ny alalan’ny ISSM (Ivotoeran'ny Sarimihetsika sy ny Sarimiaina Malagasy) sy ny BAP (Brigade Anti-Piratage), nijery akaiky ireny trano fanehoana horonan-tsary na « salle de video » ireny. Teny Anosizato Atsinanana sy Andrefana ary Ampitatafika no nanombohana izany. Olona roa, lehilahy lehibe 59 taona teny Anosizato Andrefana sy tovolahy 24 taona teny Ampitatafika no tsy maintsy nosamborina noho izy ireo nandefa horonantsary mamoafady miverimberina. Ilay teo Anosizato Antsinanana, dia mbola hita tao ny tabilao misy ireo peta-drindrina mirakitra ireo horonan-tsary mamoafady ho alefany, hoy ny Minisitera. Nahitana zaza tsy ampy taona miisa 04 ihany koa tao anat’ity « salle de vidéo » ity tamin'ny 4 ora sy sasany hariva kanefa amin'ny 5 ora hariva no voatondro fa hanombohan'ilay horonantsary mamoafady. Ankoatra izay dia kapila mangilatra na “DVD” maro mirakitra horonan-tsary mamoafady no hita sy noraofina. Natolotra avy hatrany ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalàna ireo olona voasambotra ireo ary niakatra fampanoavana omaly 21 janoary 2021. Manoloana ny firongatry ny herisetra amin’ny endriny samihafa eo anivon’ny fiaraha-monina, dia mandray ny andraikitra tandrify azy ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina ary ho hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap