airtel

Actualités

25-févr-2021

Actualités

Fandoavan-ketra Olan’ny tantsaha ny tahotra higadra

Sample post image

Raha 240.000 hatramin’ny 260.000 ariary teo ny kilaon’ny lavanilina maitso teo

25-févr-2021

 

 

 

aloha dia tafidina hatrany amin’ny 60.000 ariary izany tamin’ity taona ity, raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny orinasa mpampiofana tantsaha momba izany, Nantsoina Rakotozanany. Ny tsena iraisam-pirenena mihitsy no nahatonga ilay fitotonganana fa tsy ny tsena anatiny. Olana amin’ireo miatrika fanofanana eo amin’ity fihariana ity ny tahotr’izy ireo ny higadra raha toa ka tsy mahaloa izay hetra izay. Hita ho tarazon’ny fanjanahantany io satria rehefa tsy mahaloa hetra isan-dahy taloha dia migadra. Zava-dehibe ny fanabeazana ara-ketra ilazana hoe tsy misy fanagadrana ny tsy fandoavana hetra nefa adidy masina eo amin’ny firenena. Mila hazavaina amin’ireo tantsaha ireo karazan-ketra mila alohany sy ny fomba fikajiana azy. Ohatra hoe manana 100 ariary ianao dia mandoa 5 ariary any amin’ny fanjakana. Ny ariary 4 amin’iny mety hanaovana hopitaly. Ny ariary hanaovana lalana ary rehefa hitan’ireo tantsaha mivaingana izay dia mazoto handoa hetra izy. Ahitana izany ao amin’ireo kaominina nahavita fotodrafitrasa mivaingana ao SAVA. Misy ny nahatsangana tranom-pokonolona, CSBII, nahavita lalana ary izany no tena fampandrosoana ifotony, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap