airtel

Actualités

12-oct-2021

Actualités

Fandorana taratasin-gabone nitera-doza May ny trano 15, sprinter 1, kisoa 70

Sample post image

Nisehoana hain-trano mahatsiravina tao amin'ny Fokontany Ankaraobato kaominina ambonivohitr’Ambatoboeny omaly tamin’ny 10ora maraina teo.

12-oct-2021

 Trano miisa 15 no lasibatra, olona 96 arak'izany no tsy manan-kialofana, sprinter 1 no nirehitra, kisoa 70 mahery no may,... araka ny vaovao avy any an-toerana. Voalaza fa afo tsy voafehin’ny ramatoa iray nandoro taratasy tao amina kabone iray no nihavian'ny afo nahatonga izao tranga izao. Efa nanao ny ezaka ihany ny mpiara-monina tamin'ny famonoana ny afo saingy ny rivotra manao ny ataony d nanano sarotra ihany ny fanakanana azy. Mbola tsy fantatra aloha hatreto ny tombam-bidin'ireo entana may tao amin’izany fa mbola eo hampanaovana ny fanadihadiana. Tsy nisy kosa ny aina nafoy sy ny naratra. Manao antso vonjy amin'ireo malala-tànana sy manam-pahefana izy ireo noho izany mba hijery haingana ireo tsy manan-kialofana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap
22-avril-2024

Efa miditra tsikelikely mankany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika izao raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija.

Card image cap
19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap