airtel

Actualités

03-août-2021

Actualités

Fandraharahana ny fonja Mpiambina 2 naato, 1 hafa nampidirina am-ponja

Sample post image

Tao aorian'ny fanadihadiana lalina dia mpiandry fonja miisa 2 tao Betroka no tsy maintsy naato amin'ny asany ka ny 1 amin'izy ireo dia notanana am-ponja vonjy maika mihitsy.

03-août-2021

Voarohirohy izy ireto fa nisy ifandraisany tamin'ny fandosiran'ny gadra miisa 3 tao amin’ny fonja ao an-toerana ny 16 jolay lasa teo. Gadra izay misazy gadra mandram-pahafatiny noho ny famonoana depioten'Amboasary Atsimo tao Tsivory ny taona 2013. Araka ny loharanom-baovao voaray tamin'ny fianakaviana mpitory dia efa misy herinandro talohan'io fotoana io no efa tsy tao am-ponja intsony ireto farany nefa tsy nisy fanambarana nataon'ireo mpiandry fonja tamin'ireo tomponandraikitra tandrify izany eto Betroka ka mbola tsy hita hatramin'ny ora nanoratanay. Amin'ny maha gadra mandram-pahafaty azy ireto dia misy taratasy milaza fa tsy tokony hivoaka ny fonja mihitsy izy ireo na inona antony na inona saingy dia voalaza fa nentin'ny mpiandry fonja nivoaka mba hiasa hanamboatra biriky izy ireo tamin'io andro voalaza teo io ka nandositra, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray farany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap